Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Jolay, 2013
Iraniana Mpihanika Tendrombohitra Tsy Hita Tany Pakistana
Najanona ny fikarohana ireo mpihanika tendrombohitra Iraniana telo tsy hita nanomboka tamin'ny 21 Jolay 2013
Mpilatsaka An-tsitrapo Espaniola Roa Navotsotra Rehefa Notànana Nandritra Ny 21 Volana
Niasa tamin'ny fananganana hopitaly ao Dadaab, tobim-pialokalofana midadasika indrindra manerantany ao Kenya i Montserrat Serra sy Blanca. Fantatra fa nalaina tao Somalia ireto mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ireto rehefa avy nisy naka an-keriny
Ramadany Amin-dRa Mandriaka Araka ny Fijerin'ny Artista Ao Syria
Lahatsoratr'i Thalia Rahme nadikan'i Jentilisa miresaka ireo "sanganasa" miompana amin'ny volana Ramadany tsy fahita amin'ny firenena be silamo hafa.
Voina Nampisongadina Ny Finamanana An-Tserasera Teo Amin'i Romaniana sy ny Montenegrins
Iray amin'ny lozam-pifamoivoizana nampalahelo indrindra tsy mbola nisy tahaka izany tao Montenegro ny tamin'ny 23 jona 2013 nahafatesana Romaniana 18 sy naharatrana 29. Niely haingana ny vaovao momba ny loza, ary noho ny fahatsaram-pon'ny vahoakan'i Montenegro tamin'ireo niharam-boina sy ny fianakaviany, dia niely ihany koa ny hafatra fankasitrahana, fahalalaham-po, firaisankina ary fiderana tao amin'ny tambajotra sosialin'ny firenena roa tonta.
Nataonà Tra-boina Antsangory Ilay Mpanao Gazety Indiana Teo Am-pitaterana Ny Vaovao
Ao anatin'ny vaovao ratsy i Narayan Pargaien, mpanao gazety Indiana. Hita nilaza ny vaovao momba ilay safodrano vao haingana tany Avaratr'i India any Uttarakhand, teny ambony sorokà tra-boina izy. Henjana ny fitsikeràn'ny mpiserasera amin'ny aterineto izany hetsika izany.