· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Jona, 2013

Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?

  30 Jona 2013

Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.

Hetsika Ho Fahatsiarovana ny Kapiteny Mbaye Diagne, Maherifo Senegaley ao Rwanda

  18 Jona 2013

Mbola mitohy manerana izao tontolo izao ny fotoam-pahatsiarovana ofisialin'ny lasibatry ny fandrimpaham-bahoaka tao Rwanda tamin'ny 1994. Saingy ankavitsiana ny mbola mahatadidy ny Kapiteny Mbaye Diagne. Nefa dia nampiseho herimpo tokoa io tanora manamboninahitry ny tafika senegaley io nandritra ny fotoana be fieboeboana fotsiny ny ambiny manerana izao tontolo izao. Efa an-taonany i Enrico Muratore no nitolona mafy mba tsy ho latsaka any amin'ny fanadinoana ny anaran'io maherifo io.

Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”

  14 Jona 2013

Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka betsaka mikasika io gazety io sy ny fifandraisany amin'i Mali izy .