· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Febroary, 2013

Tamin'ny Aterineto No Nananganana ny Firaisankina Nanoloana Ny Voina Nitranga Tao Atsimon'i Brezila

  05 Febroary 2013

Tao an-tanànan'i Santa Maria, ny fahamaizan'ny trano fandihizana Kiss no namarana ny fiainana sy ny nofinofin'ny tanora mihoatra ny 230. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hanangonam-baovao tamin'izay nitranga sy hitadiavana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. 90 amin'ireo trano 150 koa no levon'ny afo tao Vila Liberdade. 50 raha kely indrindra no rava tanteraka. Nihanaka haingana hamonjena ireo niharam-boinan'i Vila Liberdade ilay fanehoa-piraisankina tamin'izay nitranga tao Santa Maria.

Krizin'ny Ankizy Ao Syria: Ahoana Ny Fomba Hanampianao

 Vokatry ny Ady teo amin'ireo ankizy Syriana: Ankizy Syriana tombanana eo ho eo amin'ny 4.355 eo no namoy ny ainy (hatramin'ny 15/1/2013) ao anatin'izao ady ao Syria izao, araka ny tatitra farany navoakan'ny Angon'ny Martioran'ny Revolisiona Syriana. An'arivony mahery ireo naratra, nogadraina sy tsy tafahaona intsony tamin'ny fianakaviany, na tsy nahazo...

Fahanginan'i Ejypta Manoloana Ny Todra-drano Ao Sinai

Ravan'ny todra-drano i Sinai, taorian'ny orambe mivatravatra tao amin'ny faritra. Vitsy dia vitsy ny vaovao momba izany tao amin'ny aterineto, ary fahanginana tanteraka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Tao amin'ny Twitter, Ibrahim Elgarhi nandefa sioka ho an'ny filohan'ny Ejipsiana Mohammed Morsi [ar]: عاجل وانساني: فيه عشرات الاسر المحاصرة في سيناء في...