· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Janoary, 2013

Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa

Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

  11 Janoary 2013

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...

Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria

Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.

Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan

  08 Janoary 2013

Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan tamin'ny 1 Janoary 2013 izy roa lahy ireo. Saingy tamin'ny 4 Janoary 2013, nosamborina izy ireo taorian'ny fiampangana azy ho mitsabaka amin'ny ezaka ofisialy famonjena...