· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Desambra, 2012

Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao

  30 Desambra 2012

Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.

Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

  30 Desambra 2012

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...

Hamehana Noho Ny Ranomandry Ao Okraina Andrefana

  19 Desambra 2012

Ny Alahady 16 Desambra, anjatony ireo fiara no voageja teny an-dalamben'i Okraina Andrefana noho ny tafiotran-dranomandry mavesatra nisy. Araka ny nambaran'ireo mpampita vaovao mahazatra isan-karazany sy ny tatitr'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, enjana be ny zava-nisy, satria marobe tamin'ireo tavela tany anatin'ny fiarany no nanomboka lany vatsy, rano sy solika, nefa ny toetrandro tsy nihatsara mihitsy.

Mirongatra ny andiam-balala ary manambana Kere ny faritra Atsimon'i Madagasikara

  06 Desambra 2012

Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy [fr]: Le Gouvernement malgache a la déclaré l'etat d'ALERTE NATIONALE suite à une invasion de criquets dans le sud qui ravagent les cultures et menace la sécurité alimentaire “Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy taorian'ny firongatr'ireo valala any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy, izay manambana ny fanjariam-pambolena...

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Famonoana Ny Miaramila Mainty tao Inal

  06 Desambra 2012

Tokony ho androm-pifaliana ho an'ny Maoritaniana ny andron'ny 28 Novambra satria io no manamarika ny fahaleovantenany nisintaka tamin'i Frantsa. Saingy, mampitamberina tsiaro mampalahelo nandatsahan-drà [en] ihany koa io andro io rehefa mampahatsiahy azy ireo fa tamin'io andro io tamin'ny taona 1990, dia nisy fanadiovana ara-poko natao tao anatin'ny tafika maoritaniana.

Tena Niala An'i Goma, RDC Tokoa Va Re Ny Mpihoko M23?

  06 Desambra 2012

Tohanan'ny governemanta Roande, ny mpihoko M23 no mifehy ny tanànan'i Goma ao amin'ny faritr'i Kivu, akaikin'ny sisintany Roande. Na eo aza ireo tatitra hoe nanaiky ny hisintaka an'i Goma ireo mpihoko, dia toa mbola misy hatrany ny fisalasalàana goavana mikasika ny hoe rahoviana izy ireo no tena hanao izany tokoa.