· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Novambra, 2012

Manohana An'i Palestina i Pakistana

  28 Novambra 2012

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny fanontaniana tsara ho fantatra dia hoe efa nanomboka nampiharina ve ny fampiatoana ady. Efa niteraka famoizan'ain'olona marobe ny ady naharitra...

Fanairana tao Goatemala Taorian'ilay Horohorontany Maridrefy 7.4

  11 Novambra 2012

Vaovao farany (7 Novambra 2012): Nanambara ny tati-baovao farany fa fara-fahakeliny olona 39 [es] no namoy ny ainy noho ny horohorontany izay namely an'i Goatemala androany vao maraimbe. Olona 155 hafa kosa no fantatra fa naratra. Avy hatrany dia nalaza tao amin'ny Twitter ny vaovao momba ny faharavana vokatry ny horohorontany maridrefy 7.4  izay namely...

Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

  08 Novambra 2012

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.

Saritaka Noho Ny Fifanekena Hametrahana Biraon'ny Fikambanan'ny Firenena Silamo Any Myanmar

  03 Novambra 2012

Nahatonga ny firenena sy fikambanana islamika iraisampirenena maro hanolo-tena hitady vahaolana amin'ny famahana olana sy hanampiana ny niharam-boina ny rotaka tamin'ny volana jona tany andrefan'i Myanmar mahatafiditra ny Rohingyas sy ny Rakhine. Nanome soso-kevitra tamin'ny hametrahana birao maharitra any Myanmar ohatra ny Fikambanam-Piarahamiasa Islamika (OIC). Niteraka fanoherana mivaivay nanerana ny firenena izany...

Firesahana ny Tafiotra Sandy Teny Anaty Tambajotra Sosialy

  03 Novambra 2012

Taorian'ny namelezany felaka ho an'i Karaiba, dia tonga tany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Etazonia ilay Tafiotra mahery vaika Sandy ny 29 Oktobra teo, nitondra oram-batravatra sy firotsahan-dranomandry tamin'izay nolalovany. Araka ny efa nampoizina, lasa lohahevitra noresahana betsaka tao amin'ny Twitter i Sandy.