· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Marsa, 2012

Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut

Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.

Taorian'ny Kony 2012, “Inona No Tiako Momba An'i Afrika” Ho Setriny

  18 Marsa 2012

Izay rehetra mpanaraka ny median'olotsotra tamin'ity volana ity dia tsy afa-miala tamin'ilay adihevitra mafana manerantany momba ny fanentanana nalaza vetivety momba ny Invisible Children hisamborana ilay mpamono olona an'ady sady mpitarika ny tafika mpioko ongandey Joseph Kony. Raha nahazo ny fifantohana nokendreny ny Kony 2012, dia maro kosa ny Ongandey sy...

Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao...

Oganda: Yes We Kony! na “Eny Mi-Kony Izahay”

  15 Marsa 2012

Nandray kihon-dàlana iray vaovao ny fanentanana iray anaty media sosialy mba hanairana ny saina hanohana ny fisamborana ilay Ogande mpitarika ady anaty akata sady mpanao heloka an'ady efa karohana fatratra, Joseph Kony. Miley be aty anaty aterineto ankehitriny ireo lahatsary maka tahaka amin'ny fomba mahatsikaiky.

Voaheloka Ho Nanitsakitsaka Ny Zon'olombelona Nanoloana Ireo Mpitsoa-ponenana Afrikana i Italia

  05 Marsa 2012

Ny 23 febroary, didim-pitsarana manan-tantara no navoakan'ny mpikambana ao amin'ny fitsarana eraopeana momba ny zon'olombelona manana ny foibeny ao tamin'ny nanamelohany an'i Italia tsy nisy nandà noho ny fisamborana sy famerenana ireo mpitsoa-ponenana avy any atsimon'i Sahara, izay manitsakitsaka tanteraka ireo fifanekena sy fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin'i Italie