· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Febroary, 2012

Madagasikara : Ny Fahasimbana Nateraky Ny Rivodoza Giovanna An-Tsary sy An-Dahatsary

  16 Febroary 2012

Niditra an-tanety teto Madagasikara tamin'ny 13 febroary tamin'ny valo ora alina ora eto an-toerana ny rivodoza Giovanna. Tafiditra tamin'ny sokajy fahaefatra ilay rivodoza, amin'ny rivotra 194km isan'ora (120mph) nentiny izay nanapaka hazo sy ny andrin-jiro. Araka ny tatitra nivoaka ofisialy dia 10 raha kely indrindra ny maty amin'izao fotoana izao. Tapaka jiro nandritra ny fotoana maharitra ny tanàndehibe roa indrindra eto Madagasikara dia Antananarivo sy Toamasina izay sambany niaina ny andron'ny mpifankatia tanatin'ny aizina ela indrindra hatramin'izay

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...