Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Janoary, 2012
Arabia Saodita : Fianakaviana Iray Monina Aminà Toeram-pandevenana
Voavonjy tamin'ny fahantrana sy tsy fananana toeram-ponenana ny fianakaviana Saodiana iray noho ny lahatsary iray maharitra telo minitra novokarin'i Bader AlHomoud, tanora Saodiana iray mpamokatra sarimihetsika. Haifa Al Rasheed no miteny amintsika momba io lahatsary mampihetsi-po io.
Sodana Atsimo: Krizy Amin'ny Maha-olona Ao Amin'ilay Firenena Vaovao Indrindra
Herintaona latsaka hatramin'ny nanambarany ny fahaleovantenany tamin’ny Jolay 2011 hanjary ho ny firenena vaovao indrindra eran-tany , dia mbola mitohy miatrika ny krizy amin'ny maha-olona hatrany i Sodana Atsimo, indrindra taorian’ny herisetra ifanandrinan'ny foko samihafa any an-toerana.
Azia Atsimo Andrefana : ny tondra-drano goavana indrindra tamin'ny taona 2011
Namely ny faritra Azia Atsimo Andrefana ny ora-mikija tamin'ny taona 2011 ary niteraka tondra-drano tamin'ny firenena maro, voatery nafindra toerana ny mponina sy mpiasa aman'arivony maro, potika ny fambolena an-tapitrisany, ary namono olona maherin'ny 2 000. Afaka nitatitra ny vokatr'izany tondra-drano namotehan-javatra izany ny Global Voices tamin'ny taon-dasa. Thailandy Nanondraka...