· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Aogositra, 2011

Libia : Mitohy ny Fitotonganan'ny Maha Olombelona Amin'ity Ramadany ity

Mitohy ny fijalian'ny Libiana fepetra maha olombelona faran'izay mampivarahontsana satria mbola mavaivaiy ny ady ao amin'ny fireneny amin'ity Ramadany ity. Miainga amin'ny sakafo mankany amin'ny rano hatrany amin'ny solika ary ireo fahatapahan'ny herinaratra, hatramin'ny fandevenana ny havany maty sy ny tsy fahampian'ny vaovao marim-pototra amin'izay zava-miseho ao ambadiky ny tranon'izy ireo, izany no manamarina fa ho henjana tanteraka ity volan'ny fifadian-kanina ity.

Côte d'Ivoire : Misaona i Abidjan Taorian'Ilay Loza Mahatsiravina Niseho.

  11 Aogositra 2011

Andro manjombona ho an'i Cote d'Ivoire ny andro Zoma 5 aogositra. Olona 40 no namoy ny ainy ary sivy naratra noho ny fianjeran'ilay fiara tao anaty hantsana Ebrié niaraka tamin'ny mpandeha rehetra tao anatiny fitateran'olona an'ny orinasa mpitatitra Abidjaney (SOTRA) mampitohy ny faritra ao Vridi sy Adjamé  . Namoaka didy 3 andro...

Bangladesh: Faha-40 Taonan'ilay Fampisehoana Ho An'i Bangladesh

  11 Aogositra 2011

Ilay 'Fampisehoana ho an'i Bangladesh', Fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'i George Harrison sy Ravi Shankar 1 Aogositra 1971, dia zavatra izay tsy fantatry ny maro. Bilaogera avy ao Bangladesh no nankalaza ny faha 40 taonan'io seho io ary niteny tamin'izao tontolo izao hoe maninona io no misy lanjany ho an'i Bangladesh