· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Jolay, 2011

Iran: Fanentanana ho Fanafahana Ireo Amerikana Mpihanika An-Tongotra Sisa Voatàna Am-ponja

Sarah Shourd dia nandany 410 andro natoka-monina tany Tehran, Iran, talohan'ny nanomezana alàlana azy ho afaka miverina any Etazonia tamin'ny Septambra 2010. Miantso izao tontolo izao izy mba hiresaka mikasika ireo namany roa, Shane Bauer sy Josh Fattal, izay mbola any am-ponja ao Iran noho ny fiampangana ho nanao "asam-pitsikilovana" hatramin'ny fotoana nahasamborana azy telo niaraka fony nihanika an-tongotra ny tendrombohitra nanakaiky ny sisintanin'i Iran tamin'ny Jolay 2009.

Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”

Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy  nosembanin-drahona izany noho ny fiampangana ny Fikambanana  Federaciya’ (Federation) ho mikasa hanjavona miaraka amin'ny vola voaangona nandritra io fampisehoana io....