· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Jona, 2011

Rosia: Mampiseho ny ratra lalina navelan'ny adin'i Tsetsenia ny namonoana an'i Yuri Budanov

Namerina indray ny fifampihenjanana ara-poko na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny namonoan'ny sasany an'i Yuri Budanov kolonely taloha tamin'ny tafika Rosiana izay noampangaina ho namona vehivavy Tsetsenina 18 taona nandritra ny Ady Tsetsenina Faharoa tamin'ny 10 jona 2011, ary nanamafy ny fahadisoam-panantenana satria mbola manjaka ny tsy fanarahan-dalàna ao amin'ny firenena

Serbia: Fisamborana an'i Ratko Mladic

Sady misento no tsy mino ihany koa ireo Serba marobe sy Bosniaka androany raha nandre ny fisamborana ny jeneraly Serba Bosniaka teo aloha Ratko Mladic, izay voampanga noho ny famonoana olona faobe sy ny heloka amin'ny ady nandritra ny ady an-trano tamin'ny taona 1992 hatramin'ny 1995 tao Bosnia-Herzegovina. Talanjona avokoa...

Siria: Manao Hetsi-Panoherana ho an'ny Hoavin'ny Ankizy

Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny ho avin'izy ireny.