· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Avrily, 2011

Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter

  27 Avrily 2011

Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaomana ny taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Tweet iray no nanombohan'ny zava-drehetra: "Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany [Santiago]." Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.

Ejipta: “Tena mampalahelo ahy tokoa i Mobarak”

Anisan'ireo lahatsoratra manokana momna ny fanoherana tany Ejipta 2011 ity . Hatramin'ny nivoahan'ny vaovao tamin'ny herinandro lasa fa ny filoha teo aloha Hosni Mubarak sy ny zanany roalahy Alaa sy Gamal El-Din no  nosamborina sy ampiakarina fitsarana, ilay blaogera sady mpitolona Hany George, nilaza fa niresaka tamin'ny olona maro izy ka malahelo...

Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo

  16 Avrily 2011

Taorian'ny fisamborana azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ny manodidina azy. Sary iray manokana no niteraka fihetseham-po mahery vaika: ilay mpanao gazety Israël Yoroba, izay miasa ao amin'ny TV5 any Abidjan,...

Belarosia: Fihetseham-po taorian'ny fipoahana tao anaty metro

Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra. Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk sy #minskblast (fipoahan'ny minsk). Nitanisa vavolombelona maromaro tao an-toerana...

Serbia: Famaliana ny soa nataon'i Japoney

  08 Avrily 2011

Manao tatitra mikasika ny finiavan'ny vahoaka Serba eo amin'ny fanampiana ireo Japoney niharam-boina tamin'ny zava-doza niseho i Sasa Milosevic ary namaly am-pankasitrahana ny fanampiana natolotr'i Japana ho an'i Serba ny vahoaka Serbiana.

Côte d'Ivoire: Asa Famonjena Noho ny Maha-Olona Amin'ny Alalan'ny Tenifototra Ao Amin'ny Twitter

  04 Avrily 2011

Anatin'ny korontana ara-politika misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire, ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny twitter dia nanjary loharanom-baovao nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony ka nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.. Tenifototra iray vaovao, #civsocial, no noforonina mba hifampizaràna zavatra mikasika ny famonjena noho ny maha-olona.