· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Febroary, 2011

Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny firenena kosa ny fitondràna fanampiana amin'ny maha-olona sy ireo mpanao gazety

Koety: Mitaky ny zony ny ‘Bedoun’ tsy manan-tanindrazana

Miditra amin'ny andro fahatelo ny fihetsiketseham-panoherana ataon'ny mponina koesiana tsy manan-tanindrazana, fantatra ihany koa ho 'bedoun' (tsy manana zom-pirenena), mitady ny fampitovian-jo sy fizakana zom-pirenena izay nahaterahan'ny maro sady heveriny ho fonenany tokana. Ny fitondrana moa milaza fa tsy mponina ara-dalàna izy ireo - ary tsy ara-dalàna ihany koa ny fihetsiketsehany.

Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi

Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.

Haiti: Herintaona lasa izay…Tsaroantsika tsara

  02 Febroary 2011

Herintaona androany ny nitrangan'ilay horohorontany nandravarava tao Haiti. Ireo mpitoraka bilaogy Haitiana dia mahatsiaro sy manome sitraka ireo velon'aina tamin'io voina io, na dia fantatsika aza fa mbola marobe ireo asa fanarenana tsy maintsy atao.