· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Oktobra, 2010

Repoblika Dominikana : fepetra hiadiana amin'ny kolera

  31 Oktobra 2010

Maherin'ny 270 no matin'ny kolera tany Haïti ary manodidina ny 3000 no tratry ny aretina. Ny fipariahan'ny valanaretina, izay tao amin'ny tanànan'i Saint Marc no niantomboka, dia niitatra hatrany amin'ny renivohitra haitiana, Port-au-Prince, izay nahitàna tranga iray voamarina omaly. Ireo manampahaizana avy amin'ny OPS [Organisation panaméricaine de la Santé] fa fotoana no isaina dia ho tonga any amin'ny tany dominikana ny kolera. Mihetsika ireo mpitoraka bilaogy.

Hongria: Mampidi-doza ny toerana fanangonana fako simika

Araka ny fanadihadihana, nandrakotra tanàna maro tany antsinanan'i Hongria ny fikorianan'ny fotaka misy poizina simika tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Nahakasika tanàna fito izany fahapotehana izany vokatry ny fikorianan'ny fako misy poizina simika navoakan'ny orinasa iray mpikarakara firaka: Tüskevár, Kolontár, Kisberzseny, Somlóvásárhely, Apácatorna, Devecser, Somlójenő. (Sarintany miaraka amin'ilay toerana fanangonana azo...

Faritr'i Sahel: Momba ny fandoavana tamby hanavotana ireo takalonaina

  04 Oktobra 2010

Ny fakàna takalon'aina nataona vondrona Islamika iray antsoina hoe Al-Qaeda in The Islamic Maghreb (AQIM) izao no malaza any amin'ny Faritr'i Sahel izay nipariaka nanerana ny firenena maro any avaratr'i Afrika. Ho fanafahana ireo takalon'aina, manao tsindry ara-politika amin'ireo firenena Afrikana voakasika amin'izany ireo governemanta sy orinasa, na hizotra amin'ny fandoavana tamby mivantana. Na izany aza, ny tetikasa hoe handoa tamby dia mazàna no dradraina ho tsy mahomby sy mampidi-doza ao anatin'ny fotoana maharitra.