· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Desambra, 2008

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

  31 Desambra 2008

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...

Isiraely: “hamelabela-kevitra” @ Twitter ny Masoivohony any Etazonia

  30 Desambra 2008

Notaterin'ny orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay sy Gaza indrindra ny Twitter. Efa miditra amin'ny...

Palestina: Ny andro nahalatsahan-drà be indrindra hatramin'ny 1967

  29 Desambra 2008

Dia nanomboka toy ny andro “mahazatra” ihany ny tao Gaza. Fa tamin'ny folakandro, na izany aza, mazava be fa ny 27 Desambra dia ho tsarovana manokana ho ilay andro nahalatsahan-drà be indrindra tamin'ny fifandonan'i Palestina sy Israely hatramin'ny taona 1967. Na dia ny Hamas aza no tena lasibatra nokendren'ny tafika...

Ezypta: Sarobidy kokoa ny mahavirijiny noho ny famonoana olona

  05 Desambra 2008

Voasariky ny tantaran'ny famonoana olona mampihoronkoditra iray indray i Ezypta, mpianatra any amin'ny anjerimanontolo roa ireto nisy namono teny an-tohatra tany amin'ny tanànan'ny 6 oktobra (mampahatsiahy an'i 67ha lahy izy izany!) fivondronan'i Sheikh Zayed ireto. Zanaka vavin'ny mpihira Maraokana Laila Ghofran ny iray tamin'ireo novonoina. Ity vono olona ity dia...

Ezypta: Boky amerikana

  04 Desambra 2008

Ny mamaham-bolongana Ezypsiana Asmaa Yasser - Maraina - eto no manoratra ny zavatra niainany tao amin'ny famakiam-bokin'i Mubarak ho an'ny daholobe. Mandika ny lahatsoratra avy amin'ny teny Arabo kosa i Tarek Amr.

Andro manerantany ho an'ny sembana tany Azia Atsimo

  04 Desambra 2008

Marihana manerantany ho andro iadiana amin'ny SIDA ny 1 Desambra ary dia dradradradraina fatratra ho fantatry ny rehetra izany. Tsy mba tahaka ny fijerin'izao tontolo izao ny andro iadiana amin'ny SIDA, fa saiky tsy hita tabilao amin'ny fampahalalam-baovao manerana izao tontolo izao ny andro manerantany ho an'ny sembana. Marihina isaky ny 3 desambra isan-taona ny andro fanajana ny fandraisana anjara birikin'ny manana fahasembanan'ny vatana na ny saina ho an'ity tontolo iainantsika ity.

Korea Avaratra any amin'ny bolongana

  02 Desambra 2008

Sarotra ny mahazo vaovao avy any Korea avaratra. Raha misy ny olona liana amin'io tanàna io dia tsy maintsy any amin'ny bolongana na dinika napetrak'ireo nitsidika farany io firenena io no todihiny ahafahany mihevitra momba ny toe-javamisy farany any amin'io firenena io. Hitsidika ny tanànan'i Kaesong isika amin'ity lahatsoratra ity, hanadihady ny anjerimanontolo vaovaon'i Pyongyang ary hanamarika ny hafatratry ny fitiavan'ny koreana tavaratra ny marika sarimpamantarana (pins) ny mpitondra ao aminy, eny fa na dia efa ivelan'ny fireneny aza izy.