· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Oktobra, 2008

Tajikistan: Mihintsan-dravina sy ranom-potaka

  23 Oktobra 2008

Namoaka sary roa i Vadim – ka ny iray maneho ny lanitra manga manjopiaka ambonin'i Dushanbe, renivohitry Tajikistan, ary ny iray hafa kosa maneho ny ranom-potaka avoakan'ny hidim-pantsona (rôbine) izay mbola ao Dushanbe ihany.

Madagasikara : Manahy izay mety ho fiantraikan'ny krizy Ekônômika ireo mpiblaogy

  18 Oktobra 2008

Raha tsy mitsaha-mitombo ny krizy, ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana roa lahy, ireo mpitondra Erôpeana sy lohandohany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena dia samy manambara fa voatery ahena ireo fanampiana iraisam-pirenena. Ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara izay mbola mianki-doha fatratra amin'ny fanampiana iraisam-pirenena dia manahy mafy satria manambana ireo ezaka izay...

Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany

  04 Oktobra 2008

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.