· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Mey, 2008

Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontany

  29 Mey 2008

hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika “3 minitram-pahanginana” ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.

Afrika Atsimo : Ry mpiblaogy, andeha hiara-mientana !

  22 Mey 2008

Miantso ireo namany mpiblaogy fotsy hoditra any Afrika Atsimo i Mike Stopforth hiara-mientana hanoherana ireo fanafihana mahery vaika izay sedrain'ireo vahiny mpiavy any Afrika Atsimo : It’s on that note that I’d like to encourage you, my fellow bloggers and business people, to join me in doing something about it....

Shina : Horohorontany an-tsary

  14 Mey 2008

Nanagona sy nanapariaka andian-tsary mampiseho ny ny horohorontany vao nitranga tany amin'ny faritry Sichuan any Shina i ESWN [East South West North na Atsinanana Atsimo Andrefana Avaratra].

Myanmar: Milona ny asa famonjena

  10 Mey 2008

Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo sy ny fanafody no tsizarizary