· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Avrily, 2008

Zimbaboe : “Fikatsahana ny Fahamarinana sy Rariny”

  28 Avrily 2008

This is Zimbabwe no mitatitra ny fampahafantarana ireo gazety ny fiforonan'ny fikambanana “Fikatsahana ny Fahamarinana sy Rariny” any Zimbaboe : The Institute for a Democratic Alternative for Zimbabwe (IDAZIM) has initiated, with full support from civil society, labour and legal organizations, the Truth and Justice Coalition on Zimbabwe. Its objectives...

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

  20 Avrily 2008

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra ‘resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray...

Indonezia: Filazana fanairana manodidina ny tendrombohitra Papandayan

  18 Avrily 2008

Vaovao avy any Indonezia no nanambara fa nakarina ho amin'ny dingana ambony ny filazam-panairana manodidina ny tendrombohitra volkano Papandayan. Miorina 51 km atsimo atsinanan'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra any Indonezia dia i Bandung ny volkano nefa misy mponina manodidina ny 3 000 000 eo ho eo ny mponina ao aminy.

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy

  16 Avrily 2008

Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina “cargo” fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana...

Egypta: Aseho masoandro ny tsy fiankinan-dohan'ny vehivavy

  16 Avrily 2008

Fahitalavitra tsy miankina iray mandeha amin'ny satelita ny OTV izay nahasàrika ny sain'ny mpijery maro tamin'ny andro nanombohany, isaorana ny fomba fijeriny malàlaka, ny zavatra arosony sy ny fomba androsoany azy izay samihafa tanteraka amin'ireo fahitalàvitra mikombona sy mitàna ny fomban-dràzana. i Zaman El Wasl (Ar) mpitoraka blaogy egyptiana, milaza...

Syria: 60 taona taorian'ny Deir Yasin

  16 Avrily 2008

“Raha miomana hankalaza ny faha-60 taona ny Isiraeliana, ary ny palestianiana kosa feno 60 taona izay ny nakana ny tany taminy, dia tsy maintsy manome voninahitra ireo lavo tao anatin'ny habibiana nitranga nandritra ny fandripahana tao Deir Yasin tamin'ny 9 Avrily 1948 isika,” hoy Rime Allaf, izay nahatsiaro ny faha-60...

Egypta:Mpitoraka blaogy miatrika vava-ady

  10 Avrily 2008

Nihazakazaka niaraka tamin’ny famantaranora (famantaranandro) ny mpitoraka blaogy Egyptiana nampita ho an’izao tontolo izao ny fitroatr’ireo mpiasa izay niantraika tamin’ny firenena manontolo, toy ireo an’arivony nitangorona nanoloana ny Al Mahalla orinasa fanenonan-damba, nangataka ny hanamboarana ny karamany ho tsaratsara kokoa sady nanohitra ny fisondrotry ny vidim-piainana. Isan’ny voalohany koa niaraka...