Nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny firotsahan’i Etazonia an-tsehatra any Mali tao anatin’ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny NY Times i Oumou Sall Seck, ben’ny tanànan’i Goundam, ao avaratr’i Mali.
Tohiny »Tantara misongadina mikasika an'i Hetsika amin'ny maha-olombelona
-
Bangladesh: Jibon Tari – Hopitaly Mitsingevana Ho An'ny Sahirana
08/01/2013
-
Maoritania: Avadiky ny Mpampianatra Korano ho Mpangataka ny Ankizy Madinika
20/11/2012
-
Fanairana tao Goatemala Taorian'ilay Horohorontany Maridrefy 7.4
11/11/2012
-
Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?
08/11/2012
-
R.D. Congo : Dokotera Denis Mukwege, Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombeloa, Voadaroka Tao An-tranony
02/11/2012
Tantara farany mikasika an'i Hetsika amin'ny maha-olombelona
20/05/2013
Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh
Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro ny 9/11.
20/04/2013
Indonezia: Mbola Ilain'ireo Mpialokaloka Ao Rokatenda Ny Fanampiana
Mbola tsapan'ireo 3.000 mpialokaloka avy any amin'ny Distrikan'i Sikka ny fiantraikan'ilay fipoahana volkanika tao Rokatenda tao amin'ny nosy Flores any East Nusa Tenggara ao Indonezia. Nipoaka i Rokatenda tamin'ny Febroary lasa teo ary taorian'ilay loza voajanahary, mbola misalasala sy matahotra hatrany ny hiverina any an-tanànany ireo mponina.
15/04/2013
Yemen: Hetsi-panoherana Ny Drôna Tany Etazonia
Nanatevin-daharana ireo diabe sy famoriam-bahoaka natao nanerana an'i Etazonia ireo Yemenita ho fanoherana ireo drôna mpihaza sy ny famonoana tsy mandalo fitsaràna.
02/02/2013
Krizin'ny Ankizy Ao Syria: Ahoana Ny Fomba Hanampianao
Vokatry ny Ady teo amin'ireo ankizy Syriana: Ankizy Syriana tombanana eo ho eo amin'ny 4.355 eo no namoy ny ainy (hatramin'ny 15/1/2013) ao anatin'izao ady ao Syria izao, araka ny...
01/02/2013
Fahanginan'i Ejypta Manoloana Ny Todra-drano Ao Sinai
Ravan'ny todra-drano i Sinai, taorian'ny orambe mivatravatra tao amin'ny faritra. Vitsy dia vitsy ny vaovao momba izany tao amin'ny aterineto, ary fahanginana tanteraka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Tao amin'ny Twitter,...
28/01/2013
Diaben'ny Fandriampahalemana: ‘Atsaharo Ny Herisetra any Myanmar Avaratra’
Misy dialavan'ny fandriampahalemana nomanina tao Myanmar hiantsoana ny fampitsaharana ny ady eo amin'ny tafi-panjakana sy ny tafika mpioko Kachin. Niteraka fifindra-toeran'olona mihoatra ny 90.000 ity gindragindra nanomboka indray ity.
26/01/2013
Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa
Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe...
10/01/2013
Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria
Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.
08/01/2013
Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan
Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan tamin'ny 1 Janoary...






























RSS ho an i Hetsika amin’ny maha-olombelona 











Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa