Tantara mikasika ny Zon'olombelona
2.202 andro taoriana, nahazo valiny tamin'izay mety ho nanome baiko hamonoana an'i Marielle Franco ny breziliana
Rehefa nanontany izay namono an'i Marielle Franco ny breziliana, dia nisambotra olona telo voarohirohy ho nanome baiko hamono ny polisy federaly, ka anisan'izany ny lehiben'ny polisy tao Rio taloha.
Nandresy tamin'ny fifidianana tao El Salvador i Nayib Bukele ka mahazo vahana ao amin'ny kaontinanta ny tsirefesimandidy
Niezaka ny hofidiana indray ny filoha salvadoriana rehefa nanivaka amin'ny fandraràn'ny lalampanorenana miharihary, notohanan'ny fifehezany ny fahefana mpitsara.
Foto-pianarana mahatohina momba ny sisintany ifanoloran'i Rosia sy Finlandy
Misy vondron'olona mpikaroka momba ny zon'olombelona sy ny fifindramonina manazava ny fomba hanitsakitsahan'ity lalàna ao Finlandy ity ny adidy iraisampirenena sy ny lalànan'ny zon'olombelona.
Tanora fiaviana Miozolomana nanavotra olona mihoatra ny zato nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Moskoa
Islam Khalilov, dimy ambin'ny folo taona, miasa tapakandro amin'ny maha-mpiandry toeram-pisoloana akanjo, nahatarika olona mihoatra ny zato hivoaka ny Crocus Concert Hall nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro
Maneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny mpanohitra Agbéyomé Kodjo tany an-tsesitany ny Togoley
Lasa toerana mahazatra hiafaran'ny fiainan'ny mpanohitra ny fitondrana Togoley ny sesitany. Agbéyomé Kodjo no farany teo, izay maty tamin'ny 3 martsa 2024 tany Ghana.
Miroso amin'ny fifidianana ifotony i Torkia
Mitodika any amin'i Ekrem İmamoğlu an'ny CHP, izay efa niasa nandritra ny dimy taona sy amin'i Murat Kurum an'ny AKP, minisitry ny tontolo iainana, ny tanàn-dehibe ary ny fiovan'ny toetr'andro teo aloha, ny maso rehetra.
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Tsy miaro ny mpanao gazety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any Tchad
Roa volana latsaka mialoha fifidianana filoham-pirenena amin'ny 6 Mey 2024 any Tchad, tsy mitsahatra manenika ny mpanao gazety ao an-toerana ny fandrahonana ho faty.
Diaben'ny vehivavy ho an'i Palestina sy manohitra ny fanjakazakan-dray ao Pakistan
Nivondrona tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy ny vehivavy ao amin'ireo tanàndehibe ao Pakistan, toa an'i Islamabad, Lahore, Karachi, ary Multan, nitaky ny fitovian-jo ho an'ny lahy sy ny vavy, ny rariny ary ny fiarovana, nanohitra ny fitsipiky ny fanjakazakan-dray nandritra ny fito taona nisesy.
Paragoay: nitombo 243% ny fitarainana momba ny herisetra an-tokantrano teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023.
Mbola lavitra ny lalan'ny governemantan'i Paragoay momba ny politikam-panjakana mifantoka amin'ny fisorohana sy ny fifehezana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.