2009-10-14
2009-10-11
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
2009-10-10
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr
2009-10-04
Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana
Nirongatra ny fahatezerana sy ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fandraisan'ny governemanta Libaney fanapahan-kevitra hampiato ny fanamboarana tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana, Nahr el Bared. Mampiseho ny tsy fahafaliany ao amin'ity lahatsoratra avy amin'i Antoun Issa ity ireo mpitoraka blaogy.
2009-09-30
Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena
Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.
2009-09-25
2009-09-24
Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona
Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana "maitso" manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika.
Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany
Mahmoud Ahmadinejad nandritra ny adihevitra ...
2009-09-23
Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra
Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan, “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ...
2009-09-22
Aceh, Indonezia: Hovonoina amin'ny tora-bato ireo mpijangajanga
Vaovao ratsy ho an'ireo manambady nefa mijangajanga : ny 'Aceh Regional House of Representatives' dia namoaka lalàna fanamelohana ho faty ho an'ireo manambady nefa mijangajanga . Hovonoina amin'ny alalan'ny tora-bato ireo meloka.
2009-09-17
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany ...







