· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2012

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

  30 Mey 2012

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.

Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla

Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.

Brezila: Ocas, Gazetiboky Manone Vintana Ho An'ireo Tsy Manan-kialofana

  29 Mey 2012

N y gazetiboky Ocas, naely nanomboka ny 2002 teny an-dalamben'i São Paulo sy Rio de Janeiro, dia mamoaka karazana votoaty marobe izay tsy ho hita mihitsy any anatin'ireo gazety mahazatra.. Fa tsy izay fotsiny : fitaovana iray tsy manam-paharoa ihany koa izy ho famerenana ireo mponin'ny làlana sy ireo nahilika, mba ho ao anaty fiarahamonina indray.

Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona

  29 Mey 2012

Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.

Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika

  29 Mey 2012

Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...

Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

  23 Mey 2012

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana...

Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum

  16 Mey 2012

Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny  forum ny endrika fanta-daza manerantany hiresaka ny krizy mahaolona sy hifanakalo hevitra momba ny fiantraikany. Iray amin'ny nandray anjara fitenenana mandritra ny fotoana mitondra ny lohahevitra...

Hankatò Ny Fampitam-Baovaon'Olo-Tsotra Ny Loka Robert F. Kennedy

Miantso ny hisian'ny fifantenana ny Lokan'ny Fanaovan-gazety momba ny Saripika Iraisampirenena sy ny Valan-tserasera Iraisampirenena ny iray amin'ny fikambanana iraisampirenena miaro ny zon'olombelona lasa aloha indrindra, ny Robert F. Kennedy Center, izay ampiantranoan'ny Sampana [Birao] Eoropeana ao Florence, Italia. Hankatò ny zava-bitan'ny matihanina sy ny mpianatra manadihady ny resaka zon'olombelona sy ny fisoloana...