· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2011

Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.

Bolivia : Nivondrona ireo Ankizy Miasa

  25 Septambra 2011

Ao Bolivia, toerana izay ny mpikambana ao anaty orinasa no tena mameno ny sendika, nanangana sendika ihany koa ny andianà mpiasa iray hafa: ny ankizy. Bilaogera maro sy mpilaza vaovao maro no nanao izay ametrahana io resaka io ho laharam-pahamehana.

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.

Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

  22 Septambra 2011

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa. “May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko...

Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.