· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2011

Yemen: tonga amin'ny mangotrakotraka? (Video)

  28 Febroary 2011

Ny Filohan'i Yemen, Saleh dia nanomboka nandefitra tamin'ireo mpanohitra, tamin'ny fanomezana baiko ireo hery fiarovana ny mba hiarovana ny mpitolona. Nefa toa tsy vonona ny handray izany teniny izany ny ankamaroan'ny olona. Mandritra izany, mitohy ireo tolona goavana manohitra ny fitondràna. Mety ho voatsapa ny fahatsaram-panahin'ny governemanta amin'ny diabe nomanin'ny mpiaro ny fitondràna any amin'ny renivohitry ny firenena amin'ny Zoma.

Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana

Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho 'Andro iray Fisaonana' an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011. Misaintsaina ny amin'izay andro izay ireo mponin'ny aterineto.

Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny firenena kosa ny fitondràna fanampiana amin'ny maha-olona sy ireo mpanao gazety

Libya: Maty izay rehetra manao zavatra

Vao nanao lahateny tezitra tamin'ny fahitalavi-panjakana Lybiana ny mpanao didy jadona any Libya Muammar Al Gaddafi mampitandrina sy mampatahotra ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny mpanara-dia azy, fa hiafara toan'i Afghanistan, Irak, na Somalia i Lybia. Mankahery ny Libiana izy hivoaka ny tranony ary handroaka ny "mpampihorohoro" ary hitaona ireo any amin'ny hery fiarovana mba "hanasaziana azy ireo mandra-pahafatiny".

Libya: “Roso toy tsa mimpody intsony”

Mety ho ora sisa no isaina amin'ny fitondran'i Muammar Al Gaddafi. Saingy rehefa nandrahona ny hamono ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila mihaika ny fitondrany izy dia mamparary an-doha ny ora sisa andrasana. Any amin'ny toerana tsy eo ambany fifehezan'i Gaddafi intsony dia efa manomboka manangona tahirin-kevitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny olona.

Libya: Niteny i Obama, antso tao amin'ny Tweeps

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetseham-bahoaka 2011 Lybia. Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha Amerikana  Barack Obama noho ny zava miseho ao Libya, nisy ny kabary nataony tao amin'ny Trano Fotsy [Maison Blanche] ny zoma , saingy tsy dia nahafa-po an'ireo izay nihaino Twitter ny hafatra nataony,...