· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2009

Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza

  31 Desambra 2009

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York

Iran: Rehefa ihoaran'ny hatezerana ny tahotra

  29 Desambra 2009

Niely nanerana an'i Teheran sy ireo tanandehibe ny mpanohitra Iraniana nihaika ny fitondrana Iraniana ny alahady teo, raha maro ny tangoron'olona hankalaza ny Ashura, fetim-pivavahana lehibe iray.

Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar

  21 Desambra 2009

Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany. Manangona ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy rehetra i Jillian C..

Serbia: Fandrahonana ny mpanao gazetin'ny B92

  20 Desambra 2009

Ny mpanao gazety Serbiana Brankica Stankovic, namorona fandaharana amin'ny fahitalavitra momba ireo hooligans any Belgrade, dia nahazo fandrahonana hentitra, tamin'ny alalan'ny Facebook. Mandinika ireo valin-teny ao amin'ny tontolon'ny blaogy Serbiana i Sinisa Boljanovic

Mpitoraka blaogy Maraokana, tompona Cyber-Café, voaheloka

  18 Desambra 2009

Ny Alatsinainy 14  Desambra, i Bashir Hazzam Maraokana mpitoraka blaogy (antsoina koa hoe  Hazem, Hazzem) sy i Abdullah Boukhou tompona Cyber-Café dia samy voaheloka higadra efa-bolana sy herintaona tsirairay avy, tao amina Tribonaly iray tao  Goulmim. Hazzam dia voaheloka ho  “nanely vaovao tsy marina manohintohina ny fijery ny Fanjakana eo...

Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna

  08 Desambra 2009

Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety sady mpitoraka blaogy 45 taona, noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ary fisarihana saim-bahoaka ho amin'ny fankahalàna, hoy ny Gazeta.ru...

Tontolo Arabo: hevitra nanoloana ny fandrarana minaret any Soisa

  04 Desambra 2009

Nanaiky ny handrarana minaret vaovao [tilikambon'ny moske silamo] tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady 29 Novambra lasa teo ny 57,5%-n'ny mpifidy Soisa, izay manori-dalana ho amin'ny fanitsiana ny Lalampanorenana. Any amin'ny fananganana tilikambo silamo vaovao – fa tsy ny moske – moa no iantefan'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity fa tsy any amin'ny tilikambo...

Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany

  01 Desambra 2009

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.