· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2009

Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena

  30 Septambra 2009

Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

  25 Septambra 2009

Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona

  24 Septambra 2009

Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana “maitso” manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika. Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany Mahmoud Ahmadinejad nandritra...

Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra

  23 Septambra 2009

Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo  émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ny mpiasam-mpanjakana...

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

  17 Septambra 2009

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana...

Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza

  08 Septambra 2009

Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.

Etazonia: Fihetsiketsehana manohitra ny fanondranana olona

  05 Septambra 2009

Olana mbola tsy re tsaika matetika ny fanondranana olona any Etazonia satria afenina amin'ny besinimaro (ny momba) izay niharan'izany. Andevozina ho amin'ny asa an-tsokosoko any anaty toeram-piasana miafina tsy manara-dalàna na  any amin'ny toerana fivarotan-tena miafina any. Mazàna dia zaza tsy ampy taona no tena lasibatry ny fikambanan-jiolahy ka aondrana...

Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?

  04 Septambra 2009

Lehilahy mainty hoditra iray no niharan'ny herisetra teo amin'ny toerana fametrahana fiaran'ny toeram-pivarotana lehibe iray tao São Paulo raha nampangain'ny mpiambina ho niketrika fangalarana fiara izay tsy hafa fa azy ihany, niteraka adihevitra be teo amin'ny mpitoraka blaogy maro momba ny anganongano milaza an'y Brezila ho demokrasia ara-poko.