Tantara mikasika ny Zon'olombelona
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Paragoay: nitombo 243% ny fitarainana momba ny herisetra an-tokantrano teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023.
Mbola lavitra ny lalan'ny governemantan'i Paragoay momba ny politikam-panjakana mifantoka amin'ny fisorohana sy ny fifehezana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.
Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia
Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny lahatsary ho an'ilay hira, sy i Monetochka tenany, ary ireo mpikatroka malaza manohitra ny ady sy ny fitondrana.
Nodimandry ny filohan'i Shily teo aloha Sebastián Piñera: Lahatsoratra miisa dimy milaza ny lova navelany
Taorian'ny nahafatesan’ny filoha teo aloha Sebastián Piñera, nanolotra lahatsoratra an-gazety miisa dimy mba hamantarantsika ny lovany ireo mpikambana ao amin'ny Red LATAM de Jóvenes Periodistas
Fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny andrana nokleary tany amin'ny Nosy Marshall
"Nahoana no nofidina ho amin'ireo hetsika mahatsiravina ireo ny zoro tsara indrindra eran'izao tontolo izao, miaraka amin'ireo olona mahafinaritra sy milamina indrindra nefa tsy nahazoana alalana mazava avy aminay?
Topimason'ny tontolon'ny media ao Tanzania
Manamarika ihany koa ny Reporters Sans Frontières fa maro ny seha-baovao no politisiana na olo-manandaza no tompon'ny seha-baovao, ka mahakitika ny fahaleovantenana ara-panoratan-dahatsoratra ary mitarika ho amin'ny fitongilanam-baovao.
Manameloka ny fandraràna ny filma ‘Mentega Terbang’ ho endrika bontolo ifehezana votoaty ireo mpanakanto Maleziana
"Amin'ny maha vondrom-piarahamonina mampiroborobo ny fahafahana mamorona sy artistika, tsy maintsy miray saina izahay amin'ny fanamelohana ny fikasana hametraka fameperana tsy ara-drariny ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika na mpanakanto."
Any Moldovia, nolavina ny fialokalofana ho an'ireo solotenan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ dimy avy any Rosia
Tao anatin'ireo valinteny dimy navoaka tamin'ity herinandro ity, dia nilaza ny masoivohon'ny fifindramonina ao Moldavia fa "manana adidy hiaro ny fireneny ny olona sasany, ary ny fandosiran'izy ireo ny raharaha miaramila any Rosia dia tsy midika velively fisiana ambana fanenjehana".
Mampanahy ireo miozolomana ny fironana mamely ny fivavahana vao haingana nataon'i Ozbekistan
Tsy vao sambany ny miozolomana ao Ozbekistan, izay mandrafitra ny 94 isanjaton'ny mponina, no miatrika fanenjehana noho ny finoany.
Naharay taratasy avy amin'ny rainy migadra any Azerbaidjan i Suad kely
Ny 21 Novambra 2023 i Hasanli no nohelohina efatra volana mialohan'ny fitsaràna, vesatra anenjehana azy ny "fanaovana risoriso vola vahiny". Raha voatazona ny fiampangàna, dia mety hiatrika sazy famonjàna hatramin'ny valo taona izy