Tantara misongadina momba ny Zon'olombelona
Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]
Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.
2009-11-05
Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso
Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity.
Araka ny efa ...
2009-11-02
Shina: Fanavaozam-pifidianana
Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana voalohany nandritra ny fivoriana fanao isan-droavolana faha-11 teo anivon'ny vaomiera maharitra tamin'ny herinandro teo ity volavolan-dalàna ity, izay mametraka fa ...
2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-26
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?
2009-10-16
Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry
Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa ...
2009-10-14
2009-10-11
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
2009-10-10
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr






