The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Tantara Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Tantara

2009-08-09

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...

2009-07-19

Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova

Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro

2009-07-15

Bolivia: Ny fiverenan'ny “Minisitry ny Cocaine”

Nandritry ny jadona miaramila tany Bolivia tany amin’ny fiandohan’ny taona 1980 tany ho any, ny Minisitry ny atitany Luis Arce Gómez dia nananatra [nampitandrina] ireo mpanohitra nihevitra ny hilaza zavatra manohintohina ny governemanta. Nilazany izy ireo mba “ho any ananona any sy hanao am-paosy ny hetahetany” Taorian'ny fanefana sazy tany Etazonia noho ny resaka zavamahadomelina, niverina tany Bolivia ny "Minisitry ny Cocaine" hanefa ny ambin-tsaziny.

2009-06-07

Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika

47 taona aty aoriana dia nanala ny fanilikilihana natao tamin'i Cuba ny Fikambanan'ny Firenena any Amerika, indrindra koa moa fa efa niara-niasa tamin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpikambana. I Etazonia, izay mbola manao fahirano ara-barotra amin'i Cuba hatramin'izao, irery no tsy tratra, satria nitaky fanovana demokratika sy fanajana ny zon'olombelona ...

2009-06-05

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna ...

2009-06-04

Sina: Ny fivoaran'ny demokrasia hatramin'ny 1989

Nandritra ny faran’ny herinandron’ny Fetin’ny Reny farany teo tamin’ny 10 Mey, nisy avara-pianarana maromaro tao Beijing nanomana seminera hiresahana ny faha-20 taonan’ny hetsika ho an’ny demokrasia tany Sina. Hetsika manan-danja tokoa io mba handrodanana ny fahanginan’ireo avara-pianarana momba ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 4 Jona, ary mba hanoherana ny ...

2009-05-31

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i danny.hammontree ...

2009-05-30

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.Sary post

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka ...

2009-05-28

Afrika: Firenena maro no tsy mahatsiaro ny Andron'i Afrika

Ny Andron'i Afrika dia fahatsiarovana isan-taona ny 25 may 1963 izay vanin'andro nijoroan'ny Firaisam-be Afrikaan na ny OUA tany Etiopia. Hetsika maro no nankalazana azy ity tany amin'ny faritra samihafa eran-tany. Nahatsiaro izany vanin'andro izany koa ny mpitoraka bilaogy sy ny mpiserasera twitter ka manoratra mamelabelatra momba ity Andron'i Afrika ...

2009-05-25

Rosia: Fandraisana fepetra noho ny finoanoam-poana

Nanoratra (teny rosiana) toe-draharaha tsy tokony hisy dikany any amin'ny faritra hafa ivelan'i Osetia avaratra, firenena mizaka tena ao anatin'ny firaisamben'i Rosia, ary nizaka ny herisetra maro isan-karazany ny mponina ao aminy hatramin'ny nianjeran'i Firaisana sôvietika, ny mpampiasa ny LJ liza-valieva - na ny mpanao gazety Osetiana tavaratra Liza Valieva ...