Global Voices teny Malagasy » Tantara
Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?
Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina.
Photo by goricvet
Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona antsoina hoe Amir Temur (Tamerlane) ao Tashkent tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny nolazain'ireo manampahefana, ny fanapahana dia nampifanarahana tamin'ny drafitry ny asa ara-pahasalamana kasaina hatao ao amin'ny tanàna. Kanefa, tsikaritra fa ireo hazo dia tsara toerana sy nahasarika tokoa.
Etsy ankilany, trano be tranainy roa mifanila amin'ny zaridainam-pokonolona no andalam-pandrodànana. Ny iray voalohany dia ilay trano fisakafoanana  “Poytakht” (“Masonkarena” amin'ny teny Ozbeky) vao navaozina tsy ela akory, naorina tany afovoan'ny taonjato lasa iny. Ny iray faharoa dia ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana fahiny izay naorina ho an'ny Semineran'ny Mpampianatra Tashkent tamin'ny 1898. Tranom-panjakana vaovao no kasaina haorina eo amin'io toerana io.
Joendax manoratra (rus):
Tsy dia niraika firy tamin'ny momba ny hazo aho taloha. Fa tamin'ity andro ity sy ireo andro maro nifandimby, tsy nety nino aho hoe marina kay ilay izy. Rehefa mamerina mamisavisa ireny fahatsiarovana ireny aho dia manomboka latsa-dranomaso, satria tsy afa-manova na inona na inona.
Inona no azo anazavàna an'itony? Be ny mihevitra fa ny tena anton'ireo hetsika ireo dia ny Lapa vaovao ho an'ny Forum, niorina tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Lasa anton-dresaka be teo anivon'ireo mpitoraka blaogy Ozbekistana izy io.
Noho izany no  nanoratan'i UNKNOWN hoe:
[…] nisy fangatahana maika ny handravàna ny foibem-pifandraisana an-tarobia izay faran'ny tranainy indrindra ao  Tashkent, niorina tamin'ny 1932. Zavatra nanaitra ny ankabeazan'ireo mpiasa tao sy ny maro mpampiasa ny tolotra  tokoa. Amin'io fotoana io no sady andravàn-dry zareo ny foiben-toeran'ny fiara fitateram-bahoaka manakaiky ny Tobim-pifandraisana an-taribia.  Lapa vaovao iray  ho an'ny Forum no kasaina haorina eo.
Kanefa, ilay Lapa dia miteraka fanontaniana maro eny anivon'ny daholobe, indrindra indrindra fa ny tena anton'izao fandaniana be izao, ny fampiasàna herin-tsandry vahiny manolona any tsy fananana asa manenika ny firenena sy ny resaka hafa ihany koa, tafiditra amin'izany ny fandraràna tsy ahazoana maka sary ilay tranobe.
Amin'izao fotoana, ny tra-pahavoazana noho ny Lapa dia ny hazo antitra maanoloana azy indray.
Ny sasany mihevitra fa ny tsangambaton'i  Amir Temur, mipetraka ao afovoan'ny zaridainam-pokonolona, no tena anton'ny fanapahana ireo hazo :
nashingyou manao fanamarihana somary masirasira ihany (rus):
[…] Tashkent dia tsy maintsy tanora sy mavitrika  lalandava! Inona no hilàny izay hazo antitra sy bevata any? Inona no ilàny izay vakoka rakitry ny ela any? Fahiny izany! Ohatra izao, tsy ela izay no nandravàna ny zaridainam-pokonolona, dia afaka mahita ny soavalin'i Amir Temur avy eny lavitra eny ny mpizahatany.
Tamin'ny 21 Novambra dia nanao hetsika iray ho fanoherana ity asa fmotehana ity ireo tanora mafana.
Nametraka voninkazo sy labozia maro teo amin'ny fefin'ny zaridainam-pokonolona ry zareo, manakaiky  ny Lapa ho an'ny Forum. Tokony ho tao an-jazidaina no nanaovana ny hetsika, saingy efa nobahanan'ny mpitandro filaminana ny fidirana, raha nanohy niasa tao kosa ireo fiara vaventy [bulldozers]. Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ny hetsika, tonga namono ireo labozia sy nanipitsipy ireo voninkazo ny mpitandro filaminana.
Ny mpitoraka blaogy roost dia nitatitra fa (rus):
Natao ny Sabotsy teo n y hetsi-paniherana nanakaiky ny  Amir Temur Square. Amin'ny lafiny iray, tsara ilay izy, satria nahazoana olona nisinisy ihany. […] Amin'ny lafiny iray kosa, tsy dia nahomby loatra, satria ny ankabeazan'ireo labozia dia tsy iray minitra na mahery kely monja no nijoto teo. Raha ny fahafantarako hatreto, tsy nisy aloha ny voasambotra.
Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya
Ilay mpanao gazety Anna Politkovskaya dia nisy namono tamin'ny 7 Oktobra  2006. Amin'ny Alarobia ho avy izao, hisy fihaonambe ho fahatsiarovana azy nomanina hatao eo ivelan'ny metro Chistyye Prudy any Moscou.
(lahatsoratra  GV momba ny famonoana an'i Anna Politkovskaya tamin'ny 2006 - ato sy ato; 2007 - ato; 2008 - ato.)
Nisy lahatsoratra fohy (RUS) milaza ilay fihaonambe ho fahatsiarovana navoaka voalohany tao amin'ilay vohikalan'ny Novaya Gazeta, gazety nanoratan'i Anna Politkovskaya:
Telo taona izay no lasa taorian'ny andro namonoana an'i Anna Politkovskaya; mbola mandehandeha eny ireo nibaiko sy nanatontosa izany famonoana izany.
Handray anjara amin'ilay fihaonambe ireto olona ireto:
Aleksey Simonov [filohan'ny Glasnost Defense Foundation], Ilya Politkovsky [zanakalahin'i Anna Politkovskaya], Dmitry Muratov [Talen'ny famoahan'ny Novaya Gazeta], [vehivavy mpilalao sarimihetsika Liya Akhedzhakova], Grigory Chkhartishvili [mpanoratra, solonanarana: Boris Akunin], [mafana fo mpiaro ny zon'olombelona Lyudmila Alekseyeva], [mpanao pôlitika Grigory Yavlinsky], [mpanao pôlitika Boris Nemtsov], [vehivavy mpilalao sarimihetika Chulpan Khamatova], [mpanao pôlitika Mikhail Kasyanov], [mpanoratra sariitatra Victor Shenderovich], [mpanao gazety] Yulia Kalinina, sy maro hafa.
Hanomboka amin'ny 4:03 ora hariva tsy diso ny fihaonambe.
Nahazo alalana tamin'ireo manam-pahefana ao an-tanànan'i Moscou ilay fihaonambe.
Miaraka amin'ilay lahatsoratra fohy ny sarin'i Anna Politkovskaya:
ANNA - 7 Okt.  2006: Mbola mandehandeha any ireo mpamono.
Ary misy koa sarina mpanao gazety sy mafana fo maro hafa izay “namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany” tany Russia, nanomboka tamin'ny 2000 hatramin'ny 2009 - Telman Alishaev; Anastasiya Baburova and Stanislav Markelov; Magomed-Zagid Varisov; Igor Domnikov; Magomed Yevloyev; Valery Ivanov and Aleksei Sidorov; Vagif Kochetkov; Pavel Makeev; Maksim Maksimov; Eduard Markevich; Ivan Safronov; Natalya Skryl; Paul Klebnikov; Yuri Shchekochikhin; Natalya Estemirova; Vladimir Yatsina:
Hatramin'izao dia mbola hevitra efatra ihany no naterak'ity antso avo ity:
konoplyov:
Dia iza no mpamono dia iza no nibaiko izany? Mety tsy efa maty ve izy?
gerantidi:
Mbola velona tsara tokoa izy. [Berezovsky no anarany.]
miksread:
Kiriko aho mahita ity iconostase saro-takarina ity. Kiriko aho mieritreritra ny hoe farafaharatsiny ny isan'ireo handray anjara amin'ilay fihaonambe dia tsy ho latsaka [amin'ny isan'ireo olona amin'ilay peta-drindrina]. Maty tamin'ny tsy antony ve izy ireny? Toa sahala amin'izany an.
igel_68:
Tsy maintsy handray andraikitra amin'ity i [Putin] indray andro any. Mpanao gazety roa isan-taona eo no maty novonoina raha ny salanisa. Indrindra ireo mitatitra ny tena zava-misy any Rosia. Ireo izay nifidy ny tsy hanasoaso ny fitondràna. Sady azo atao koa ny miresaka momba-na famonoana iniana atao. Famonoana mifototra amin'ny asa. […]
viking_nord, mpampiasa LJ dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy ampolony vitsivitsy izay namerina namoaka ilay filazana (RUS) tao amin'ny blaoginy. Ny lohatenin'ilay lahatsoratra dia “Ho any aho.” Somary maina ihany ny hevitra voalohany napetraka tamin'io:
vzzhbzl:
“Ho any aho.” Any amin'ny misy an'i Politkovskaya ankehitriny ve? Aza maika amin'izany. Tsy maintsy ho any daholo isika indray andro any.
Ity ny tohin'ny resaka:
viking_nord:
Ilay fihaonambe no tiako resahana.
vzzhbzl:
Inona ary no handanianao andro amin'izany? Hanandratra  tabataba kely fotsiny ianareo dia avy eo hiparitaka - hanova zavatra ve izany?
viking_nord:
Kanefa raha tsy manao tabataba mihitsy izahay, izay vao tena tsy hisy mihitsy ny fiovàna.
andrei_naliotov, mpampiasa LJ dia namerina namoaka ilay filazana (RUS) tao amin'ny vondrona LJ ru_politics (mpikambana 8 722). Toa miavaka ny resaka misy ao amin'ny fametrahan-kevitra amin'izao fotoana izao - feno faharatsiam-panahy miharihary sy zara raha misy  alahelo na vaovao marina bitika dia bitika:
kidman_moscow:
*manoaka*
Aza adino ny mamoaka sary.
fetisoff:
Ie, tia mandehandeha any amin'ny Chistoprudnyi aho [ Lalambe migodana, toerana hanaovana ilay fihaonambe sy nanaovan'ny antoko mpanohitra fihaonambe maro taloha]. Nefa izao aho tsy maintsy mijery aterineto alohan'ny handehanana, hijery raha misy [adala] mitady hanao fihaonambe eny (na dia ireo ihany aza no manohitra eny isaky ny mihetsika).
bobrok_gso:
[Haha], fa maninona no nosoratanao hoe mpanao gazety i Stasik Markelov? Fa angaha izy tsy mpisolo vava? Sa azo aseho eny daholo [na iza na iza]?
atollos:
Mitovy fiafaràna daholo ireo Mazepas rehetra. [araka ny anaran'i Cossack Hetman Ivan Mazepa - sy ny anaran-jazavavin'i Anna Politkovskaya, Anna Mazepa.]
knpnk:
Hm… Eo amin'ilay peta-drindrina misy ireo mpanao gazety dia misy toerana banga eo amin'ny laharana farany… Tsy maintsy misy antony ao…
vitaly:
Sipakelin'ireo be volombava. [milaza ankolaka an'i Anna Politkovskaya sy ireo mafana fo Chechen.]
salnikov_vova:
Koa tsy  ‘ndeha sambory àry ry zareo [ireo namono an'i Anna Politkovskaya]! Raha mbola olona miriaria izy ireo, maninona ianareo no tsy misambotra azy ireo  na manome ny mombamomba azy ireo any amin'ny mpitandro filaminana!
Andron'ny boky eran-tany: ny fiainan'ny vehivavy ao anatin'ny fitaratry ny lehilahiny
Maro ny lehilahy eo amin'ny fiainan'ny vehivavy, hatrany am-boalohany ka hatrany am-parany: «ray, raibe, zanakalahy, anadahy, olon-tiana, vady, sefo, mpiara-miasa»…Misy ny eo, ao ny adino, misy ny mandeha, ny sasany mbola eo amin'ny fomba tsy fantatra, manintona na mampijaly, miova, mijanona, manova zavatra; ary, ireo rehetra ireo mitambatra, ny sariny sy ny zavatra omeny no maneho azy kokoa noho ny mety ho vitan'izy tenany, ny vehivavy manapaka ny làlany, ao anatina tantara sarotra sy azy ireo manokana, mahavaky fo sy manainga fanahy, mampihomehy sy tsotra, mandini-tena sy manazava ny tantara sy ny fiaraha-moniny azy manokana.
i Denise Bombardier no voalohany tao amin'ny lisitry ny fitrandrahan ananako, mpanao gazety, mpanoratra tantara, mpanoratra tonokalo ary olon'ny haino aman-jery avy any Quebec, fanta-daza amin'ny hoe fahaizany mitatitra amin'ny vaovao sy ny fampiasany eson-teny. Ao anatin'ny «Nos hommes» (1995) nanoratra izy, toy ny nomarihin'i  Nicole Savard ao amin'ny blaoginy momba ny literatiora[Fr]:
Les hommes sont, dit-elle, des êtres qui nous inspirent sur chacun d'eux, chacun d'eux étant la facette de ce qu'est un autre. De plus, l'homme est cette personne qui nous révèle à nous-mêmes, nous les femmes. Ils sont un peu ce que nous voulons qu'ils soient: amoureux, amants, fougueux, touchants, amicaux, professionnels, séducteurs, parfois cruels, et souvent terrifiés par le pouvoir qu'exerce la femme sur eux. Enfin, ces hommes sont à l'image de ce que la femme veut, croit ou “désespère d'être”.
Zavaboahary izay manainga fanahy anay isan'isany ny lehilahy hoy izy, ny tsirairay amin'izy ireo izay endriky ny iray hafa kosa. Fanampin'izany, ny lehilahy no olona manasongadina antsika vehivavy. Tonga amin'izao maha-izy azy izao izy ireo araky ny naniriantsika azy: tia, olon-tiana, mafana fo, namana, mahay miasa, manintona, ary indraindray mampijaly, ary matetika matahotra ny fahefan'ny vehivavy ampiaharina aminy. Farany, sarin'ny tian'ny vehivavy omena azy ireo lehilahy ireo, na eritreretiny hoe ” very fanantenana amin'ny maha-izy azy”.
Asehon'i Camille Laurens [Fr] ny firehana ara-kevitry ny haisoratra frantsay, antsoina hoe «autofiction», mampiaraka ny tantaram-piainan'ny mpanoratra sy ny famoronana. Tamin'ny taona 2000 izy no namoaka ny «Dans ces bras-là» («teo amin'ireo sandry ireo»), izay nahazoany ny loka Femina, boky tian'ny [Fr] ballerines ou converses :
Les hommes. Quel sujet ! Passionnant. Je regrette d’avoir été une femme en lisant ces lignes. J’aurais aimé être masculin pour mieux comprendre ce qui se passe dans le ventre des femmes face à nous, mais je suis fille, je ne fais qu’aquièscer au chemin chaotique et amoureux de l’héroïne. Car il y a toujours une histoire d’amour avec un homme : qu’il soit père, grand-père, fils, frère, ami, amant, mari, patron, collègue.
Ny lehilahy. Lohateny toy inona! Mahaliana. Mampalahelo ahy ny nahavehivavy ahy raha namaky ireto andinin-tsoratra ireto aho. Tiako ery ny ho lehilahy mba hahafahako mahalala ny zava-misy ao anatin'ny kibon'ny vehivavy manoloana antsika, nefa vehivavy ao, tsy misy afa-tsy  ny mandray ny làlan-tsarotra nodiavn'ny mpanao tantara teo amin'ny fitiavana. Fa misy foana izany tantaram-pitiavana iray miaraka amina lehilahy izany - na izy ray, na raibe, na zanakalahy, na olon-tiana, na vady, na sefo, na mpiara-miasa.
Ny tena tiako tsy am-pisalasalana anefa ny  Ireo Lehilahiko nosoratan'i Malika Mokkedem, mpanoratra Alzeriana mipetraka any frantsa, toerana nianarany ho dokotera ary nampiharany ela ny fahaizany momba ny voa, talohan'ny nanokanany ny fotoanany ho amin'ny haisoratra.
Zanakavavin'ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, mpifindra monina matetika avy any Atsimon'i Alzeria, vitany ny niady tamin'ny vesatry ny  fomba amam-panao sy ny fianakaviany ho an'ny fiainany mahaleo tena; ary niaraka tamin'ny hery miredaredan'ny finiavana, nanjary tonga amin'izao zavatra notadiaviny izao izy. Nanoratra izy hoe [Fr]:
Niala tamin'ny raiko aho mba hianatra ny fomba hitiavana ny lehilahy, kaontinanta tena masiaka, satria tena mbola vaovao amiko…. Nampiarahako na nampiadiako taminy ny tenako. Mamalona ny zavatra rehetra ilaiko tadiavina izy raha mbola ahazoako fahalalahana.
Mavitrika i La muse agitée, mpampiasa ny blaogin'i the Vallauris bookshop [Fr]:
Voici le « carnet de bal » de Malika Mokkedem, qui déroule le fil de sa vie comme on ouvre un tiroir aux souvenirs. Y sont rangés son enfance de petite fille algérienne qui compte moins que ses frères et à qui on demande d’être la plus transparente possible, son adolescence de jeune fille qui trouve dans les livres et l’instruction une porte ouverte à la liberté, une jeune femme avide d’amour, indépendante et déterminée, une femme construite avec ses blessures, sa culture, sa rage et son besoin viscéral de reconnaissance.
Les hommes de sa vie sont ceux qui ont compté et l’on soutenue, ceux avec qui elle a bataillé, contre qui elle a dormi, pour qui elle a fait l'amour. Leurs traces intimes imprègnent de forces conjuguées et de déceptions cuisantes la vie de l’auteur. […]
Ity ny “kara-pandihizan” i Malika Mokkedem, izay mamaha ny sarotra tamin'ny fiainany tpy ny hoe nosokafanao avy any anaty vta sarihan'ny rakitry ny ela. Mivalona ao ny fahazazany tamin'ny maha zazavavy kely Alzeriana azy izay tsy manan-danja firy noho ireo anadahiny, ary nangatahana mba ho tsy hisehoseho araka izay azo atao, ny hatanorany tamin'ny nahatovovavy azy nahita tany anaty boky sy torolalana avy amin'ny varavarana misokatra ho amin'ny fahalalahana, vehivavy tanora nangetaheta fitiavana , mahaleo tena sy tapa-kevitra , vehivavy narafitry ny ratrany, ny kolontsainy, ny hatezerany, ary ny faka lalin'ny fanekena.
Ireo olona nomeny lanja manokana sy nanampy azy no lehilahy teo amin'ny fiainany, ireo niadivany, ireo niarahany natory, ireo nanaovany firaisana. Ny dindo mamin'izy ireny tavela teo amin'ny fiainan'ny mpanoratra arahana hery mifanindran-dàlana sy fahadisoam-panantenana mirehidrehitra. […]
Le livre se lit comme un récit de vie, un témoignage, une confidence, une sorte de gifle à l’ordre établi, l’ignorance et la servitude, une vérité toute crue qui n’accuse pas mais enveloppe l’avenir d’un espoir encourageant pour les femmes algériennes. […]
Vakiana toy ny tantaram-piainana ny boky, toy ny testamenta, toy ny tsiambaratelo, karazana felaka eo amin'ny endriky ny rafitra napetraka, ny tsy fahalalana sy ny faneriterena,ny fahamarinana mahitsy izay tsy manasazy, nefa kosa mamono ny ho avy ao anatin'ny fanantenana tsara ho an'i vehivavy Alzeriana. […]
Ity olana sedrain'ny vehivavy ity dia mitondra antsika hiarahaba an'i  Assia Djebar, Alzeriana mpanoratra tantara izay sady mpandika-teny ihany koa, mpamokatra horonantsary sady mpampianatra haisoratry ny tany miteny Frantsay any amin'ny Anjerimanotolo any New York, iray amin'ny vehivavy vitsy voaray tany amin'ny Akademia Frantsay. Anisan'ireo asa-sorany maro malaza sy voavaky tsaroana ny L'Amour, la Fantasia (1985), sy ny  Femmes d'Alger dans leur appartement (2002). Eo amin'ny blaoginy Le bateau libre, kiana amin'ny asa-soratra no nilaza i Frédéric Ferney , momba ny bokiny farany Nulle part dans la maison de mon père («N'aiza n'aiza ao an-tranon'ny raiko», 2007) [Fr]:
Le titre sonne comme une dénégation et un aveu, il tient sa promesse.
Grandir, est-ce apprendre à désobéir? Et comment grandir sans (se) trahir? Comment être fidèle à soi sans renier les siens? Assia Djebar a cette phrase: “Se dire à soi-même adieu” que chacun est libre d'interpréter comme il veut.
Ny lohateny dia sady toa fandàvana no fieken-keloka, mitazona ny teny nomeny izy.
Fa angaha ny fihalehibeazana midika, mianatra mamaly? Ahoana no fomba itomboanao tsy mivadika (sy mamita-tena)? Ahoana no azonao itokisana ny tenanao nefa tsy manosika ny hafa? Manana ireto teny ireto i Assia Djebar : «Manao veloma amin'ny tenany», izay azon'ny tsirairay raisina arak'izay itiavany azy.
Ny tena itovian'ny mpanoratra Alzeriana mampiasa ny teny Frantsay matetika dia ny fombany, ny hareny sy ny fahavelomany, ny heriny sy ny tsy fanasiana fifangaroan-teny, eo koa ny fahasahiana amin'ny lohahevitra. Noho izany, farany na ahoana na ahoana ny fihetsiky ny lahatry ny vehivavy, mahatsiaro voatery aho ny hamarana ity resaka fohy ity miaraka amin'ireto boky savaranonando ireto izay nosoratan'i  Yasmina Khadra (anarana mpanoratra ho an'ny lehilahy, mba hialana ny sazy miaramila nandritry ny ady sivily Alzeriana), ny Wolf Dreams (1999), The Swallows of Kaboul (2002) The Attack and The Sirens of Baghdad (both 2006), ao anatin'ny maro, izay manana tanjona ny  «hanome vintana ny mpamaky any andrefana hahazo ny tena olana izay matetika miantraika aminy mivantana [izany hoe,ny fanarahana anjambany].
Bebe koka momba ity mpanoratra mahaliana ity  ato amin'ireto blaogy ireto : Un oeil sur la planète, sy Cocola's [Fr].
Thailand: Telo taona aty aorian'ny Fanonganam-panjakana tamin'ny 2006
19 Septambra 2006 no datin'ny fanonganam-panjakana farany tany Thailand, nanaovana sesitany ny Praiministra Thaksin Shinawatra. Telo taona aty aoriana, mbola tsy milamina ihany ny toe-draharaham-pirenena.
i Suranand Vejjajiva, iray amin'ny mpikambana ao amin'ny kabinetran'i Thaksin izay nolazaina ho mpandalina ny haino aman-jery ary lasa mpanao politika, dia nanoratra lahatsoratra mahaliana eo amin'ny Bangkok Post:  Telo taona nidinana an-dalam-be,mbola eo amin'ny sampanan-dalana ihany i Thailand
Manondro ny tetikadin'i Thaksin ny fijeriny, izay hafa noho ny an'ireo mpitondra hafa teo aloha nesorin'ny fitondrana miaramila:
mijanona ho tahotra ho an'ny fitondrana vaovao i Thaksin any ampandosirana, telo taona aty aorian'ny nanalàna azy tamin'ny toerany. Antony iray ny toetrany “tia ady”, nefa koa tsy nisy nitovy tamin'ny fototry ny fahefan'i Thaksin mihitsy.
Tsy naharesy lahatra mihitsy izy teo amin'ny Fanjakana na nandritry ny fiarahana miasa taminy na tsia, na dia nanomboka nanagon-karena aza izy tamin'ny alalan'ny fananany finday sy ny zanabolan'ny governemanta.
Vaovao ny aferany, ny modely vaovao tonga dia afa-miasa. Afaka nanangona vola niaingana izy , mivelatra sy haingana noho ny mpanao afera hafa tamin'ny alalan'ny ambin'entana teny an-tsena.
Ary ny fahaizan'i Thaksin mitantana na ny  afera na ny politika no nahafahany nanangana rafi-pandaminanna eo amin'ny fiainany amin'izao.
Nanosika azy lavitra ny fampiarahana ny harena sy ny fahefana niaraka tamin'ny rafitry ny mpiasa biraon'ny governemanta, betsaka tamin'irep mpikambana no manohy manohana azy hatramin'izao, na dia eo aza ny famonoana nataon'ny mpitarika ny mpanongana sy ny famotehana ataon'ny governemanta ankehitriny amin'ny fitaran'ny tambajotrany.
Mitanisa antony roa ihany koa i Suranand manohana an'i Thaksin: ny fanekena ny demokrasia tao aorian'ny fianjeran'ny kaominisma tany Atsimo-atsinanan'i Azia sy ny tsy fetezan'ny mpiasa birao Thailandais hiatrika ny fangatahan'ny vahoaka.
Raha fehezina, nilaza i Suranand fa sarotra ho an'i Thaksin sy ny hery mpanohitra (miaramila, mpiasa birao sy ny Governemanta demokraty amin'izao fotoana) ny hamaha ny olana anatin'izy ireo. Izay mahavita izany no hitondra an'i Thailand mandritry ny folo taona manaraka.
Mazava ho azy, manana ny tsininy i Thaksin, ary efa miatrika ny vokatr'ireo fanararaotam-pahefana nataony izy amin'izao. Niaiky ny manampahefana ambony eo amin'ny politika fa na dia toa mivatravatra aza ny fisehony, mbola sarotra ho azy ny tena hiverina eo amin'ny fahefana- aleo aloha izy hiverina hody - raha jerena ny hamaroan'ny fahavalo ara-politika natsangany.
Eo andanin'izay koa anefa,tsy nisy nahavita nanakana an'i Thaksin tsy hahazo ny vahoaka amin'ny ankapobeny,  na ny fitondrana izay nisolo toerana azy, i Gen Surayud , mpisolo toerana tsy voafidy sy ny fitambaran'ny mpitondra demokratika amin'izao fotoana, raha izy ireo miatrika ny olan'ny fanarahan-dalàna ara-demokratika, sy ny fahafahana miatrika ny olana ara-toekarena, ary ny fahaizana mitantana ny governemanta - izay taratra vao haingana, ary mbola mihantona, noho ny fisafidianana izay ho lehibe vaovaon'ny polisy.
Tsara vakiana. Afaka manaraka ihany koa an'i Suranand ao amin'ny  Twitter ianao.
Maro ny blaogy milaza ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 19 Septambra .Misy ohatra vitsivitsy ireto:
Nanadihady fohifohy an' i Gen. Sonthi Boonyaratglin, mpitarika ny miaramila tamin'ny 2006  i NaDao, mpanao gazetim-bahoaka eo an-toerana. Nilaza i Sonthi fa tamin'ny 2006, hanala olona iray ihany no heviny, i  Thaksin, izay nahatonga ny korontana ary nino fa hitambatra ny firenena. Niaro ny nataony izy tamin'ny  fanakianany ny firefarefan'ny zavabita sy ny fanapahan-kevitra tsy mety nataon'ireo mpiasa biraon'ny governemanta (notendreny) ho isan'ny antony nahatonga ny olan'ny firenena taorian'ny fanonganana.
Lahatsoratra iray hafa avy amin'ny ankolafy manohitra an'i Thaksin. Newgeneration mitanisa ireo tsinin'i  Thaksin nandritry ny fanjakany.
Kazakhstan: Lenin. Mbola velona lavitra noho ny fahavelony
Hafatra roa mitovy no nisy nandefa tao amin'ny tontolon'ny blaogy Kazakh avy amin'ny lafintany roan'ny firenena. Samy miresaka momba ny fitsanganana tamin'ny matin'ny sary famantarana vanimpotoana iray  taloha tany izy roa: ny loha sy ny sandrin'ny tsangambaton'i Lenin. Inona no manosika ireo olona hitodika mankany amin'ny sarin'ny lehiben'ny tolon'ny mpiasa eran-tany? Ny fahatsiarovana ny taloha angamba? Tormozz dia vavolombelona [ru] tamina tranga mahazendana tamin'ny namakivakiany an'i Kazakhstan, izay nitsidihany ny tanànan'i Aralsk, tamina tobin-tsolika iray manokana, ary teo…
“Toy izao i Vladimir Ilyich, mihantona amina tady vavarana!
Raha ny fantatra dia hitan'ireo tompon'ity tobin-tsolika ity teo akaikin'ny Tranoben'ny Kolontsaina tao an-toerana  ity sarivongana ity. Novidin'izy ireo  1000 tenge ary dia napetrany eo anoloan'ny fivarotany. Tamin'ny fotoana izay naha-seriny an-dry zareo indrindra no nahitako azy ireo .
Avy eo nosasan'ilay ramatoabe tamina rano mafana tamim-pahamalinana tokoa ilay loha sola *manankasina* .  Teo ampisarahanay  dia notoroako hevitra izy ireo mba hametaka  soratra milaza hoe,  “Tobin-soliky ny Saina Mena ho  fahatsiarovana an'i V.I. Lenin” .
Ny andro manaraka, teny an-dàlana hody, dia mbola  nandalo teo izahay. Nisy mpanao sary sokitra iray efa niasa teo amin'ilay sarivongana, mba hamerina ny orony amin'ny endriny tena izy.
Toy ny lohatenin'ny lahatsorany, pycm ao amin'ny Karaganda dia nampiasa ilay fehezanteny sovietika malaza, izay heverina fa noventesin'ny  tsirairay tamin-kafanam-po sy fanandratana tokoa: “Efa nahita an'i Lenin aho!” [ru]:
Fahiny, nisy tranom-panjakana tao aorian'ilay tamboho mivolom-batolalaka. Rehefa kelikely, dia hisy toeram-pamarotana fiara hisokatra eto. Misintona asam-barotra hafa eo an-toerana koa ireo mpandraharaha. Amin'izao dia misy toeram-pivarotana  sy  fisotroana café eo amin'ilay toerana. Mitirintirina eo ambony tohana eo afovoana tsilalaon-drano  kely  iray Ilyich, voahodidina voninkazo. Tena  mahafinaritra. Ny anaran'ny tompon'ilay trano dia  Volodya (fanafohezana ny Vladimir).
Hita any amin'ny neweurasia ihany koa.
Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy
Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais nandritra ny adin'ny fanafahana, ireo olona mosarena any Etiopia, ary nandray anjara betsaka tamin'ny fandriam-pahalemana tany Irlande Avaratra. Ny praiministra any Bangladesh, Sheik Hasina, no manao an'i Ted Kennedy ho “namana mahatoky an'i Bangladesh” ary mampahatsiahy ny andraikitra notanany nampahafantatra an'i Bangladesh teo an'ivon'izao tontolo izao nandritra ny adin'ny fanafahana. nanoratra i Habib Siddiqui, mpitoraka bilaogy avy any Bangladesh monina any Etazonia:
Amin'alahelo lehibe no hiondrehako manoloana ity olona malaza ity izay tsy hadino mandrakizay ny zavatra nataony ho an'i Bangladesh.
Inona no nataon'ny loholona Kennedy ho an'i Bangladesh? Manazava ilay mpitoraka bilaogy.
Nanokatra ady hevitra ho an'ny bilaogy ao amin'ny Open Salon i Smith Barney:
Taorian'ny nanafihan'i Pakistan andrefana (atao hoe koa Bengale, Bengladesh ankehitriny) an'i Pakistan antsinanana tamin'ny taona 1971 dia mpitsoam-ponenana 9 tapitrisa no namakivaky ny sisintanin'i Inde. Tsy nanaitra an'izao tontolo izao sy Etazonia (Nixon/Kissinger, mbola variana tamin'i Vietnam, ary nirona bebe kokoa tamin'i Pakistan andrefana). Niavaka tamin'izany anefa ny loholon'i Massachussets, 39 taona, Edward Kennedy.
Tao anatin'ny hafanana be sy ny rivotry ny volana aogositra no tonga tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana nanerana an'i Bangale andrefana (manakaiky ny sisintanin'i Inde) ny loholona Kennedy ary nanao tatitra tamin'ny loholon'i Etazonia manontolo, fanadihadihana mahatalanjona momba ny fijalian'ireo mpitsoam-ponenana any Inde sy ilay nantsoiny hoe “ny fanjakan'ny ramatahora mianjady amin'i Bangladesh antsinanana”.
Nofintininy hoe: “Ny fanohanana mafy ataon'i Amerika amin'i Islamabad (Pakistan andrefana) dia tsy misy dikany raha ampitahaina amin'ny zava-doza iainan'ny olona sy ny politika any Bengale antsinanana.”
Tsy vitan'ny hoe vavolombelona fotsiny i Kennedy fa nanaitra an'izao tontolo izao izy hahatsiaro tena hanampy ireo mpitsoam-ponenana ireo, tsy voatery hoe ireo mpiady mahaleo tena an'i Bengale antsinanana akory.
Unheard Voices, bilaogy any Bangladesh miompana amin'ny zon'olombelona no namoaka ny tatitra nataon'ny loholona Kennedy tamin'ireo loholona amerikana, izay namelabelatra ny fangirifiriana nahazo ireo mpitsoam-ponenana.
Mehrab Shahriar posts no namoaka ny santionany amin'ireo sarin'ny mpitsoam-ponenana sy ny fitsidihana nataon'ny loholona Kennedy tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana tamin'ny taona 1971.
H. A. Mahmud no nilaza[bn]:
বাংলাদেশ স্বাধীন হওয়ার পর ১৯৭২ সালে এডওয়ার্ড সদ্য স্বাধীন রাষ্ট্র বাংলাদেশে আসেন। এখানে তিনি একটি শোভাযাত্রায় অংশ নেন এবং ঢাকা বিশ্বদ্যিালয়ে ভাষণ দেন। এডওয়ার্ড কেনেডি’র স্মৃতিবিজড়িত ঐতিহাসিক বটগাছটি এখনও কালের সাক্ষী হয়ে দাঁড়িয়ে আছে ঢাকা বিশ্ববিদ্যালয় এলাকায়।
Tonga tany an-toerana i Edward Kennedy tamin'ny fiandohan'ny taona 1972 taorian'ny fanafahana an'i Bangladesh. Nandray anjara tamin'ny matso izy ary nikabary nanoloana ireo mpianatra ao amin'ny anjerimanontolon'i Dhaka. Mbola ao amin'ny anjerimanontolo ny hazo banyan nambolen'i Kennedy hatramin'izao hahatsiarovana ireo soa vitany.
Shada Kalo no mahatsiaro an'i Kennedy noho ny soa nataony:
Ted, naman'i Bangladesh ianao. Tsy nitondra vato ho anao izany, tsy nisy olona nanome tsiny anao raha nandeha tany anaty fotaka tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana tanatin'ny hafanana mangotraky ny volana aogositra ianao. Kanefa nataonao izany, satria tokony ho natao. Nanampy anay ianao satria zavatra mety sy tokony ho natao koa izany.
Rezwan
Ekoatora: Ny hiaka ho amin'ny fahaleovantena roanjato taona lasa izay
Tamin'ny 9 Aogositra 1809, nisy andian-dehilahy tany Quito, izay ny Repoblikan'ny Ekoatora amin'izao fotoana, nandray anjara tao anatin'ny  “Hiaka voalohan'i Amerika Latina.” Ity hetsika ity dia hiaka fitakiana fahaleovantena hiala ambany vahohon'ny mpanjaka Espaniola ary mpialoha lalana ireo maro hafa nanerana ny faritra nataon'ireo mpitaky fahaleovantena toy ity. Na dia tsy  nahazo fahaleovantena tanteraka aza i Ekoatora hatramin'ny 1822, dia nanampy tamin'ny fanombohana ny Ady ho amin'ny Fahaleovantenan'i Ekoatora ity hiaka ity. Tamin'ity taona ity, nankalaza ny faha roanjato taona ho fahatsiarovana ity hetsika ity izay nitranga tamin'ny  200 taona lasa tany  i Ekoatora.
Sarin'i Quito, Ekoatora avy amin'i L. Marcio Ramalho ary ampiasana ny Creative Commons license.
Iray amn'ireo lehilahy, izay nanampy tamin'ny fitarihana ny hetsika i   Eugenio Espejo, izay nampiasa ny toerana misy azy mba hanaovana ity dingana ity ho amin'ny hoavin'ny Amerika-Latina, ary tanteraka ireo nofiny tamin'ny mangiran-dratsin'ny  10 Aogositra 1809. Manoratra momba ny anjara toeran'i Espejo amin'ny zotra mankany amin'ny fahaleovantena i Belén Proaño of Temas Para Debatir [es]:
Las ideas de Espejo, fueron el punto de partida de una nueva concepción de lo que hasta ese entonces se entendía por patria, afirma el historiador Jorge Núñez, autor del libro Eugenio Espejo y el pensamiento precursor de la independencia . “Se empieza a entender por patria a Quito, y ya no a España. Nace una toma de consciencia sobre lo que será después la nación ecuatoriana”.
Ireo hevitr'i Espejo no teboka niaingana ho amin'ny fijery vaovao ny noraisina ho toy ny Reny-malala, hoy ilay mpahay tantara Jorge Nuñez, ilay nanoratra ny boky  Eugenio Espejo sy ny Eritreritra ho an'ilay Mpisava làlana ho amin'ny Fahaleovantena. “Izay no niatombohan'ny fieritreretana an'i Quito ho Reny-malala fa tsy i Espana intsony. Teraka ny fahatsiarovana tena amin'ny hoe ho lasa inona ny firenena Ekoatorianina atsy aoriana atsy.”
Ny alin'ny 9 Aogositra, nisy fihetsiketsehana goavana iray nanerana ny tanànan'i Quito, ary maro ireo nizotra ho any  amin'ny  “Efitranon'ny fanoherana” izay notantanan'i Doña Manuela Cañizares. Ny ampitson'iny, maro tamin'ireo olom-baventy tao Quito tamin'ny fotoan'andro, no nivondrona ary namorona Komitin'ny fiandrianan'ny Governemanta ary nifidy ireo manampahefana hiasa ao. Taorina kely, tamin'ny  16 Aogositra 1809, nisy fivoriambe natao ary nosoniavina ny antontan-taratasy voalohany milaza ny fahaleovantenan'i Quito.
Taorian'ny firohotana voalohany, ny tanàna'i  Quito dia nomena ny anaram-bositra hoe “Luz de América” na  (Ny Hazavan'i Amerika) ary nanjary fakan-tahaka ho an'ireo vahoaka hafa mangetaheta  fahaleovantena. Nanoritra ny làlana i Quito ary nanaraka kosa ireo Amerikanina ambiny. Ny blaogy  Brigada Quetzalcoalt [es] koa dia manolotra tatitra mikasika ity datin'andro ity  any Bolivia, firenena izay mankalaza ihany koa ny faha-roanjato taonan'ny hiaka ho amin'ny fahaleovantenany manokana.
Manaraka ny ohatra navelan'i Quito, ny tanànan'i Caracas dia nihiaka ho amin'ny fahaleovantena tamin'ny 18 Aprily 1810, Buenos Aires tamin'ny 25 May, Bogotá tamin'ny  20 Jolay, Mexico tamin'ny 16th Septambra, ary  Santiago de Chile tamin'ny  18 May. Nandrehitra afo nanerana ny koantinanta Amerikanina manontolo ny mponin'i Quito.
Afghanistan : Androm-pifidianana
Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany noho ny fahamaroan'ny Talibans tany amin'ireo faritra ireo, saingy nolazain'ny mpiasam-panjakana teratany sy ny iraky ny firenena vahiny fa voasoroka ny voina tena nahian'izy ireo. Mitantara ny zava-niainany sy ny fahatsapany nandritra io andro manantantara io ny mpamaham-bolongana Afghan.
Namoaka saripika maromaro tao amin'ny bolongan-tsariny i HeratZamin izay ahitana ny sarin'ny mpifidy sy ny mpitandro ny filaminana.
Nanoratra i Mohammad Zaher Nazari fa [fa]:
Nifidy tany amin'ny distrikan'i Kahmard afovoan'i Afghanistan aho. . . Nitsidika foibem-pifidianana dimy aho ary taratro mandeha milamina ihany ny fifidianana ary tsy nahita fandikan-dalàna nolazain'ny kandidà sasantsasany aho fa tsy dia betsaka ihany koa ny olona. . . Nanontany izay antony aho ka nisy namaly fa nankany Kabul ny voafidy ary tsy nampiasainy ny vola ho an'ny distirìka fa nangalariny ka tokony hatao ampamoaka ny amin'izany izy.
Nampian'i Nazari fa ankevitry ny 2000 ny efa nandray anjara tao Kahmard saingy ny tena isa marina dia mihoatra kelin'ny 700  ihany (tsy mazava loatra ao amin'ny lahatsoratr'i Nazari na fijeriny ihany io na loharanom-baovao hafa no reny na hitany).
Niteny i Ejtema  [fa]:
Nifidy izahay omaly teto Afghanistan, maro kokoa no nifidy tany avaratry ny firenena miohatra amin'ny atsimon'i Afghanistan. Olona maromaro sy miaramila vitsy no matin'ny mpioko Taliban.
FezaiIbrahimi, kandidà ho ao amin'ny Antenimiera Afghan, no manoratra [fa]:
Soa ihany fa nilamindamina ihany ny fifidianana. . . Ny tena nahavariana dia ny nandehanan'ny anti-bavy sy anti-dahy nifidy ary mihoatra noho ny an'ny tanora ny fifalian'izy ireo amin'izany.
Hamid Tehrani
Mauritanie: Vanim-potoana vaovao ve?
Taorian'ny fanonganam-panjakana herintaona lasa izay, sy ny nahavoafidy ny mpitarika io fanonganam-panjakana io Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenena, ary ny voalohany sady farany nipoahana baomba nahafaty tao amin'ny firenena ny fiandohan'ny volana aogositra, dia nisy fiovana be tany Mauritanie.
Ny 12 aogositra lasa teo dia nampitsahatra ny fandaharan'asany tany an-toerana ny Peace Corps, noho ny tsy filaminana sy ny tsy  fandriam-pahalemana.
Mpilatsaka an-tsitrapo iray an'ny Peace Corps niasa tany Mauritanie no milaza ny heviny ao amin'ny Becky's Mauritanian Adventures:
Araka ny efa voamarikareo dia misy tsy filaminana be aty Mauritanie hatramin'ny niandohan'ny asako taty an-toerana tamin'ny taon-dasa. Araka ny efa nahiako dia nanapa-kevitra ry zareo tsy hamela anay hiverina any Mauritanie intsony. Androany no andro nampalahelo indrindra taminay rehetra, kanefa miezaka aho hahatsiaro fa manokatra tontolo vaovao ho anay ho amin'ny ho avy izao. Hiverina any Amerika indray aho angamba amin'ny herinandro ambony. Nahazo hevitra betsaka amin'izay hataoko aho, kanefa azoko antoka fa hampirotsaka lalindalina kokoa ny Peace Corps izany. Tsy hosoratako eto daholo ny pitsopitsony rehetra satria tsy fantatro daholo izy rehetra, kanefa ataoko izay haharenesanareo rehetra ny vaovao farany.
Mijery ny zava-misy dia manombana ny Newstime Africa :
Tampoka ho an'ny firenena ihany ny fanapaha-kevitra hanakatona ny Peace Corps satria tena manampy ny mponina ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Ny Peace Corps izay manana ny foibeny any Washington dia miasa amin'ny firenena 74 manerana ny tany. Hatramin'ny 1967 no nisiany ary taty amin'ny Ampiran'ny Silamo befasika no nanombohany ny prôgramany; niompana indrindra tamin'ny fambolena, ny fahasalamana sy ny fanabeazana no nifotorany ka nametraka ny fanabeazana mitovy lenta ho an'ny rehetra tao amin'ny firenena izy na dia teo aza ny fironan'ny mponina ho amin'ny fanabeazana silamo noho ny fanabeazana tandrefana. Miteraka fahabangana lehibe ho an'ny fanjakana ny fialan-dry zareo indrindra ho an'ny mponina any ambanivohitra izay efa nanomboka zatra ny fisiany noho izy ireo malala-tànana. Nampanantena ny hiady amin'ny ekstremista amin'ny fomba rehetra ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hitandroana ny filaminana.
Nilaza ilay mpitoraka bilaogy:
Ny fiforonan'ny governemanta vaovao izay ahitana ministra 21 no mbola malaza any an-toerana, 4 andro taorian'ny nanendrena ireo mpikambana ao aminy. Olona manam-pahaizana daholo izy rehetra, manana mari-pahaizana ambony avy amin'ny anjerimanontolon'i Mauritanie na avy any ivelany.
Ny tena mitana ny laharana voalohany amin'izany resaka izany (ao amin'ny tontolon'ny bilaogy koa) dia i Naha Bint Hamdi Ould Mouknass, notendrena hitazona ny ministeran'ny raharaham-bahiny; araka ny fanondroan'ny bilaogy The Moor Next Door azy:
Ms. Bint Ould Mouknass no vehivavy voalohany nitazona io toerana io aty amin'ny firenena miteny arabo; narahan'ireo vehivavy 5 hafa izay notendren'ny jeneraly Mohamed Ould Abde Aziz ho ao amin'ny governemanta.
Manazava ny dikan'izany ilay mpitoraka bilaogy:
Sady am-pisainana no tena ilaina ny fanendrena azy: ny fanendrena an'i Bint Mouknass, tahaka ny olona nodimbiasany, dia fanehoana ny fifandraisana amin'ny any ivelany amin'ny endrika vaovao sady “malefaka”. Mampifaly ireo mpanara-dia azy koa ny jeneraly (indrindra tamin'ity farany). Mampisy kaly anelanelan'ny governamanta vaovao sy ny mahery fihetsika silamo izy, ny silamo izay manana politika iraisana amin'ny fandraisana anjara (maharitra) amin'ny fifidianana filoham-pirenena (e.g Israely), heverina fa araka ny politika dia hanome lanja ny tsy fanekena izany foto-kevitra izany, noho izany dia manala azy mazava tsara tsy ho ao anatiny, indrindra amin'ny ezaka ataony hiadiana amin'ny “fampihorohoroana”, na dia tsy nieritreritra izany aza talohan'ny tamin'ny herinandro lasa izay nisian'ny baomba nipoaka nahafaty (ary mety tsy neritreretiny).
Jillian C. York
Kioba: Ny Maleconazo
Feno sahoan-dresaka momba ny hoe ahoana no hamahana ireo olana mampisavoritaka ny nosy amin'izao fotoana izao  ireo blaogy Kiobana, hatramin'ny hoe ahoana no fiantraikan'ny tranga tahakahaka izao eo amin'i Kioba 15 taona tany aloha tany. Ny 5  Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny  revolisiona. Ny Maleconazo, araka ny nahafantarana azy, dia nitranga ny  1994 tany amin'ny lalàm-be malaza manamorona ny ranomasina ao Havana, akaikin'ny seranana fiantsonan'ny sambo mpitatitra entana [ferry] mankany  Regla.
Eto, anjatony ireo nidina an-dalàmbe raha vao nandre fa hoe navily làlana ireo sambo mpitatitra entana ary dia mitodi-doha ho any Etazonia. Niaraka tamin'ny firodanan'ny  Firaisana Sovietika, nitsahatra ny fanampiana avy amin'ny firenena matanjaka iray, niteraka fitotonganana goavana ho an'ny toekarem-pirenen'i Kioba . Lasa ratsy be tokoa ny ara-ekonomika, miharo fahatapahan'ny herinaratra sy tsy fahampian-tsakafo, ary maro amin'ireo tanora ao Kioba - mbola izany no zava-misy hatramin'izao - no miketrika hikopak'elatra ho any  U.S., amin'ny fomba rehetra takatry ny sain'izy ireo mba handositra ny tsy fisian'ny anjara-masoandro sy ny fahalalahana ao Kioba.
Ny setrin'izany rehetra izany avy amin'ny governemanta dia ny fandefasana ny hery vonjy taitran'ny fanjakana (departemantam-panjakana misahana ny fandriampahalemana) hiatrika ilay kaongrekasiona [congregation] tao an-tseranana, hiezaka ny hifehy izay mety ho fihoaram-pefy. Izay narahan'ny hetsi-panoherana goavana nataon'ny Kiobana efa nanomboka nikiakiaka hoe: “Fahalalahana; Kioba eny, Castro tsia” sady nifanaritaka tamin'ireo mpitandro filaminana tamin'ny fanehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany amin'ny fepetra iainana eo amin'ny nosy. Nanomboka nidina an-dalambe ireo mponin'i Havana, nampakatra ihany ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny tsy fahafaliana noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ireo zavatra hafa ilaina amin'ny fiainana andavanandro no isan'ny nampakatra ny tosiky ny vilany  cocotte-minute; ary dia ‘nipoaka ny sarom-bilany'.
Olana tsy misy hafa amin'izany no manao afon'ampombo eo Kioba ankehitriny, vokatra nateraky ny famèrana ny fanjifàna ireo filàna fototra, ny fanjifàna herinaratra ary ireo tolotra hafa tsy azo ihodivirana. Matoan-dahatsoratra iray no namoaka tao amin'ny blaogy Asociación Pro Libertad de Prensa (Fikambanana ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety), tantanin'ireo mpanao gazety tsy miankina ao Kioba , manao hoe:
puede afirmarse que las condiciones políticas, económicas y sociales del país han empeorado.
Azo ambara fa tena nitotongana be ny tontolo politika, ekonomika ary sosialy eto amin'ny firenena.
Ity ampahany ity dia manao famehezana hoe:
La impopularidad del régimen alcanza cotas difíciles de ser superadas…perdida la confianza y hasta la esperanza…el pueblo espera inútilmente por una muestra de racionalidad o al menos, por un poco menos de egoísmo por parte del gobierno.
Tonga amin'ny fara-tampony tsy azo ihoarana ny tsy fitokisan'ny vahoaka ny fitantanana…na ny fanantenana aza dia very… ireo vahoaka mijaly miandry vasoka izay ho marika kelin'ny fahitsiana [rationality], na farafaharatsiny fitiavantena kely avy amin'ny governemanta.
Ny Sary nalain'ilay mpizahatany holandey iray Karen Poorts tao Kioba tamin'ny 1994 - toy ireo videos  maro tsy voasonia momba io fifanandrinana io izay  napetraka ao amin'ny YouTube - dia maneho betsaka vondron'olona vitsivitsy milahatra eny an-dalambe, maneho eny amin'ny endriny (tsy misy tahotra ny amin'izay mety ho fiantraikany) ny tsy fahafaliany amin'ny governemanta.
Ilay mpitoraka blaogy nahazo loka Yoani Sanchez dia nifidy ny handrakitra anaty  video ny vohikalan'ny  ‘the Maleconazo', raha toa kosa ireo mafana fo sy mpitoraka blaogy hafa  nitatitra momba ireo fepetra noraisin'ny fanjakana ho fisorohana ny Maleconazo hafa indray , na Andro iray ho Fanoherana. Toy izay nitranga roa volana lasa izay, votsa be ny fikorianan'ny aterineto, nitera-pahasahiranana ho an'ireo mpitoraka blaogy avy any Kioba te-handefa sary na tatitra ho an'ireo mpitoraka blaogy any ivelan'i Kioba ,  dia ireo izay hamoaka ny vaovaon-dry zareo avy eo. Ireo Kiobana mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny isam-batan'olona dia noraràna tsy hahazo manao hetsika fahatsiarovana.  Ireo mpitandro filaminana avy amin'ny fanjakana dia nampiasa ilay fomba fanao efa tsy zoviana intsony amin'ny fanaovana fahirano ny faritra, hisorohana ny  fivoahan'ny olona ao an-tokantranony na handraisany vahiny, eny fa na dia hoe fihaonana kely monja aza.
Somary mahazendana ihany, mitohy ny fanoherana anaty aterineto [online] - farafaharatsiny avy amin'ireo loharano ivelan'i Kioba , - iarahana amin'ny blaogin'i Josan Caballero izay maneho firaisankina amin'ny alalan'ny hetsika iray ao amin'ny  Facebook:
La idea nos llega de Facebook. Joel Riev nos propone utilizar hoy, cinco de agosto, este video, junto a las siguientes palabras, que hacemos también nuestras:
‘Propongo a todos de publicar este vídeo en sus páginas (blog y profilo fb) este 5 de agosto, para no olvidar cómo nos cortaron las alas. Yo estaba allí y me arrestaron…'
Nitsiry tato aminay tamin'ny alalan'ny Facebook ny hevitra. i Joel Riev manolotra hoe androany, fahadimin'ny volana Aogositra, aparitatsika ity video ity, miaraka amin'ireto teny manaraka ireto , izay nataonay ho anay manokana:
‘Soso-kevitro ho an'izay rehetra hamoaka ity video ity amin'ny takelak'izy ireo  (blaogy sy ny mombamomba ny tena ao amin'ny Facebook) amin'ity 5  Aogositra ity, aza adino  ny fomba nanapahan'izy ireo ny elatsika [elatra+isika]. Tany aho ary dia nosamborin-dry zareo…'
Penultimos Dias (ES) dia manoratra lahatsoratra iray izay manome amin'ny antsipirihany ny fomba fahitàn'ny Kiobana iray Ny Maleconazo, raha mamehy azy toy izao kosa indray ny blaogy sin EVAsión :
Quince años atrás yo no estaba en el Malecón, pero recuerdo ese día como una muestra de la rebeldía de numerosos cubanos, que levantó la expectativa de cambios en muchos de nosotros. Ese día creímos que estaba cercano el fin de la dictadura. Yo nunca he querido irme de la Isla; he creído (románticamente, lo sé) que soy más útil aquí, que pertenezco a este lugar y que mi resistencia es también mi particular homenaje y mi respeto a la Cuba que queremos todos, incluyendo a los que se rebelaron aquel día. Ellos, estén donde estén, son un ejemplo de dignidad. Me gusta pensar que somos algo más que 110 mil kilómetros cuadrados de geografía…Ellos dijeron “basta”; no importa ahora cuán efectiva fue su acción: fue la última muestra de rebeldía popular masiva que recuerde Cuba.
La descarada reseña del Granma a propósito de la fecha me obliga a insistir en un derecho que nos corresponde: el 1ro de enero todavía es suyo; el 5 de agosto es (y será) nuestro.
Dimiambinifolo taona taty aoriana, tsy tao Levee aho, saingy nomarihako kosa ity andro ity ho ny ohatra iray amin'ireo hetsi-panoherana nataon'ireo Kiobana marobe, izay nanandratra ny fanantenanay fiovàna. Tamin'io andro io dia nino izahay fa efa taka-tànana ny fiafaran'ny jadona. Tsy naniry velively ny handao ny Nosy aho; Nino aho  (tamim-panofisana, azoko antoka) fa ilaina  bebe kokoa aho eto, ary tena iray ihany amin'ity toerana ity aho ka ny fanoherako dia fomba iray koa ho ahy manokana hanomezako voninahitra sy fanajàna an'i Kioba ary izay no iriantsika rehetra, miampy ireo rehetra nihetsika tamin'iny andro iny. Ry zareo, na aiza na aiza misy azy ireo,  dia ohatra velon'ny fahamendrehana. Te-hieritreritra aho hoe maherin'ny 110.000 kilometatra toradroa no misy antsika ara-jeografia…Hoy ry zareo hoe “leo”; tsy dia ilaina loatra ny mamantatra hoe hatraiza ny vokatry ny hetsika: iny no fanehoan-kery farany tamin'ny hetsi-panoheran'ny maroan'isa tao Kioba.
Ny tsikera mahamenatra nataon'i  Granma momba ny vaninandro dia manery ahy hisisika amin'ny zo mahakasika antsika: ny 1 Janoary dia mbola azy ihany aloha; ny 5  Aogositra  dia (ary izay no ho fandehany) ho antsika.
Ny sarikely nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Pescador en el malecon”, dia avy amin'i Fredo photo, nampiasana ny  Creative Commons license. Tsidiho ny  Sary mivoaova nataon'i Fredo ao amin'ny flickr .
http://globalvoicesonline.org/2009/08/14/cuba-the-maleconazo-2/