Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Marsa, 2013
LAHATSARY: Tobim-pamokarana Herinaratra Okrainiana kilan'ny Afo, Tsy Azo Antoka Ny Hoavin'ny Tanàna Manodidina
Farafaha-ratsiny iray no maty ary dimy hafa naratra ny 29 martsa tamina firehetana goavana [amin’ny teny anglisy] tao amin’ny Tobim-pamokarana herinaratra ahodin-tsolika ao Vuhlehirska any Svitlodarsk, tanana kely iray ao Donetsk any Okraina.
Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?
Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.
Kirizy Any Sabah Taorian'ny Olana Saro-bahàna Tany Malezia Niaraka Tamin'ireo Filipiana Mitam-piadiana
Sabah dia anatin'i Malezia nefa ny Soltàna avy amin'ny Fiiipina dia mitaky mafy ny anjarany amin'ny fanjakàna. Ireo mpanara-dia azy mitam-basy dia nanjanaka faritra tao Sabah tamin'ny volana Febroary nefa nofaranan'ny tafika Maleziana malaky izany fanjanahantany izany. Tapitra ny olana saro-bahana fa mbola mitohy kosa ny kirizy.
Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina
Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011. Nahatonga resabe eran-tany momba ny heloka nataony, ny pôlitikan'ny zava-mahadomelina any Myanmar ary ny faneken'ny ampahan'i Shina ny fahazoany drôna, ny fahafatesany.
Madagasikara, Tamin'ny Taonjato Farany Teo
Manankarena ny tantaran’i Afrika saingy matetika mahantra ara-tahirin-kevitra. Mba hanentsenana io lavaka io ao Madagasikara, nanomboka asa fandraketana niomerika mikasika ireo tranga manan-tantarany ny fiaraha-monina sivily
Misaona ny Mpanoratra Frantsay Stéphane Hessel ny Mafana fo Eran-tany
Nodimandry tamin'ny alin'ny 26 Febroary 2013 lasa teo ny mpanoratra, mpisolovavan'ny zon'olombelona, sady mpitolon'ny Fiaretana (“résistance”) Frantsay, Stéphane Hessel, nanome aingam-panahy tamin'ny fahadisoam-panantenan'i Eoropa sy Etazonia ka nitarika ho amin'ny fikarakarana fanoherana ny bokiny nahalafosana betsaka indrindra sy haingana mikasika ny fanandratana ny fandriampahalemana. 95 taona izy izao. Tonga fanta-daza eran-tany i...
Guyana, Cuba: Habemus Papam, Saingy “Fa Iza Moa Izy”?
Feno ny andro feno iny hatramin'ny nivoahan'ny setroka fotsy tamin'ny Lasapely Sixtine manamarika ny nandrasan'ny Katolika manerana ny tany: Habemus Papam [mg]. Araka ny hita miharihary, ny Fihidiana an-trano nataon'ny Kardinaly no nifidianana ny papa Amerikana Latina sady zezoita voalohany indrindra hatramin'izay...saingy nisy bilaogera iray nanontany hoe , "Fa iza moa izy"?
Ilay Tsara Tarehy sy ilay Biby Tsy Voafehy? Naharomotra Ny Nasionalista Rosiana Ilay Oliravina “Foko Hafa” Nandresy
Tahaka ny tsy niomana mialoha handresy tamin'ny fifaninanana Oliravina Rosia ilay 18 taona Elmira Abdrazakova tamin'ny Asabotsy 2 marsa 2013 farany teo. Raha izany manko dia efa tsy nataony hitam-bahoaka mialoha ny mombamomba azy tao amin'ny tambajotra Rosiana VKontakte. Amin'izao fotoana lasa nanaisotra manontolo ny mombamomba azy izy. Nihalehibe tao...
An-tsary: Vahoaka Nitokona Tao Shahbag
Tamin'ny zoma 8 Febroary 2013, olona an'arivony no nanomboka nameno ny làlana Generation Shahbagh ho firaisankina miaraka amin'ireo mpibilaogy sy mpisera maro ao amin'ny aterineto nitokona vao maraina. Nizara sary mampiseho ireo olona marobe miangona ao Dhaka renivohitr'i Bangladesh i Arif Hossain Sayeed.