Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Novambra, 2012
Homs: Tantaran'ny Tanàna Syriana Revolisionera Rava
Anisan'ny tanàna Syriana maro hita amin'ny lohatenim-baovao ankehitriny i Homs, izay tanàna niorina tamin'ny 2300 talohan'i Kristy. Azo tarafina amin'ny alalan'ny fahapotehan'ny fanorenana sy maritrano manan-tantara, ireo mpialokaloka an'hetsiny ary ireo maritiora an'arivony ny fahasimbana goavana nateraky ny fandaroahan baomba nandritra ny volana maro. Homs ao amin'ny tantara Ilay tanàna 4300taona...
Mbola Manaloka Ny Etiopiana Ve Ny Avelon'i Meles Zenawi ?
Na dia telo volana aza izao no lasa taorian'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny nahafatesan'i Meles Zenawi, ilay Praiminisitra Etiopiana nodimandry, ary taorian'ny volana maro nisian'ny resabe mikasika ny momba azy, ny avelony kosa tsy mampiseho marika mihitsy hoe hanaisotra ny vahohony amin'ireo Etiopiana.
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.
Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”
Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.
Lasa Tanàna Maty i Mumbai Taorian'ny Nahafaty An'i Bal Thackeray
MAty teo amin'ny faha-86 taonany tany amin'ny toeram-ponenany ao Mumbai i Balasaheb Keshav Thackeray, mpanorina n y Antoko elatra havanana Hindu, Shiv Sena. Taorian'ny fahafatesany ny tolakandron'ny 17 Novambra 2012 dia niparitaka haingana ny vaovao ary dia lasa tanana maty i Mumbai satria nikatona daholo ireo toeram-pivarotana, niato ny fitateram-bahoaka ary nihazakazaka namonjy fodiana sy nikaton-trano ny olona.
Ny Fikorontanan'ny Nasionalisma Rosiana
Tamin'ity taona ity, nanandratra avo ny anarany ny Andron'ny Firaisankina, saingy tamin'ny fomba tsy nampoizina. Tao anatin'ny tanàna 46 manerana an'i Rosia [ru], isany i Mosko, olona teo amin'ny 3 alina teo no nandray anjara tamin'ireo famoriam-bahoaka nataon'ny farany havanana. Na dia ampahany faran'izay kely dia kely amin'ny totalin'isan'ny mponina aza izany, ny Andron'ny Firaisankina nataon'ny vondron'ny farany havanana dia nahasintona mpanohana maro nanerana an'i Rosia