Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Avrily, 2012
<< Nahazo >> Ny Tambajotra Sosialy Ny Zava-dozan'i Almansa
Inona no antony ankalazan'ireo avy ao Valence miteny "catalane" ny 25 Aprily? Fanazavàna.
Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena
Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...
Italia: Mankalaza Ny Faha-2765 Taonany i Rôma
Rôma, ilay Tanàna Maharitra Mandrakizay, izay lasa tena nisy ny anganongano. Rôma, izay ahitana zava-baovao hatrany hojerena. Tanàna (tsotra) i Rôma talohan'ny naha-Fiketrahana Masina (Saint-Siège) azy, vao lasa Repoblika ary ampira avy eo. “Tanàna nanana ny lanjany ara-politika, nanankarena, ary lehibe indrindra teo amin'ny tontolo tandrefana” i Rôma nandritra ny ho efa fitonjato...
Brezila : Mafàna Fo Nanao Hetsika Hanoherana Ny Fahatsiarovana Ny Jadona Miaramila
Tanatin'ny andro vitsy monja, fihetsiketsehana maro mifandraika amin'ny jadona miaramila breziliana (1964-1985) no nitranga, na izany teny anivon'ny aterineto na teny ivelany, tamin'ny lafintany efatry ny firenena. Nanapa-kevitra ireo mafàna fo ny hanao fihetsiketsehana hanehoana mazava ny fihetseham-pon-dry zareo amin'ny ilàna famaizana ireo mpanao heloka bevavan'ny omaly sy hanokafana tanteraka ny tahirin'antontan-taratasy izay mbola tànana ho tsiambaratelo hatrany.
Lahatsary: Fampahafantarana Ny Atao Hoe Islamo Ho An'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa
Miompana amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny tsy fahampian'ny fahafantarana ny atao hoe Islamo sy ny fomba fandraisan'ny fikambanana momba ny asa soa sy ny fampandrosoana ny atao hoe fiarahamonina Miozolomana ny adihevitra mandeha ao amin'ny vohikalan-tetikasa Uncultured Project. Shawn Ahmed nizara lahatsary tsotra sy fohy manazava ny atao hoe Isalmo, izay...
Meksika: Angona Kilalao Mety Hanova Ny Hoavin'i Meksika
Manana kilalao voaangona, saiky vita avy tao Meksika, mihoatra ny iray tapitrisa ny lehilahy iray 65 taona. Nanapa-kevitra ny hanokatra ny tranony ho mozean'ny kilalao ny mpanao maritrano Meksikana Robert Shimizu sy ny zananilahy.
Frantsa: Mipongatra Ny Tenim-paritra
Ny 31 Martsa 2012, nisy hetsika nifanesy maro natao tany amin'ireo tanàndehibe tany Frantsa, voatariky ny tanjona hampiseho fanohanana tsy misy lesoka an'ireo tenim-paritra sy ireo tenin-janatany. Mitatitra i Rayna St..
Alzeria: Fanaovam-beloma Farany Ho An'ny Filoham-pirenena Algeriana Ahmed Ben Bella
Taorian'ny fahafatesan'i Ahmed Ben Bella, nahatsiaro ity lehilahy ity ny mpiserasera Arabo amin'ny maha filoham-pirenena Alzeriana azy voalohany.
Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina
Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Maro ireo mampaneno lakolosy fanairana.
Lahatsary: Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra Mampiseho ny Asany an-Dahatsary Nahazoany Loka
Nambara tamin'ny 5 Aprily 2012 lasa teo ny mpandresy tamin'ny Loka doGooder andiany faha-enina ho an'ny lahatsary mendrika indrindra avy amin'ny Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra . Ireto avy ny lahatsary nandresy izay ahitana sokajy efatra: fikambanana madinika, salantsalany sy lehibe ary ny tantara tsara indrindra , eo koa ny lahatsary 4 mendrika...