· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Janoary, 2012

Karaiba: Misaotra anao ry Dr. King

  31 Janoary 2012

Anio faha 16 Janoary 2012 izay andron'i Martin Luther King Jr no ankalazan'i Etazonia ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny lehiben'ny vondrona mpitandro ny zon'olombelona. Nandray anjara tamin'izany ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba any an-tanindrazana sy any am-pielezana...

Okraina: Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko

" Sariaka, manantalenta, ary manana ny maha-izy azy izy. Olona sahy sedra, feno fahalalàna sy fitadidiana," hoy ny nosoratan'i Olya Suprun momba ny renibeny izay eo ho eo amin'ny 75 taona eo, ary zaraina ao amin'ny bolongana antsoina hoe "Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko" izay bolongana nahazo loka. Mitatitra ho antsika i Tetyana Bohdanova.

Gresy: Fomban-drazana Sy Fomba Amam-panao Amin'ny “Andron'ny Hazavana”

  29 Janoary 2012

Ny "Epiphany" na "Theophany" dia ny fotoana ankalazan'ny Kristiana Tatsinana ny nanaovam-batisa an'i Jesosy tao amin'ny Ony Jordana, noraisina ho ny fotoana nisehoan'ny maha-Zanak'Andriamanitra azy teto amin'izao tontolo izao. Ao Gresy, ny 6 Janoary no andro nolovaina tamin'ny razany, ary fantatra amin'ny hoe Phota ("hazavana"). Ndeha hiaraka aminay hanao fitsidihana an-tsary sy an'eritreritra ireo tantara malaza fahiny eran'ireo nosy sy tanana Grika.

Filipina: Miteraka Kiana Ny Lazan'ny Happy Rizal Day ao amin'ny Twitter

  03 Janoary 2012

Lasa lohahevitra malaza ao amin'ny Twitter ny #Happy Rizal Day ny 30 Desambra lasa teo, fotoana tsy fiasana nahatsiarovana ny tsingerin-taona nahafatesan'ny maherifom-pîrenen'i Filipina, Dr. Jose Rizal. Raha tokony ho sokajiana ho tsara ny fahalalàna fa mbola maro no mahatsiaro an'i Rizal, nisy olona sasany nitsikera ny fampiasana ny fitenenana “Arahabaina nahatratra ny Fetin'i Rizal” mba hahatsiarovana ny tsingerin-taona nahafatesany.