Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Marsa, 2011
Panama: Fara-veloma an'i Guillermo Ford
Nomen'i Panama voninahitra tamin'ny alalan'ny fandevenana ara-panjakana, tamin'ny 22 Martsa i Guillermo “Billy” Ford[es], Filoha lefitra teo aloha ary Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny politika ara-toekarena (1989-1994). Nampihetsi-po ny fotoana, hoy ireo Panameana nahatsiaro ny fiainan'ity mpanao politika sy mpandraharaha ity, izay olo-malaza fantatra amin'ny anarana hoe “Feo garagaran'Akoholahy”...
Arzantina: 35 taona Aty Aoriana, Ho Ela Velona Anie Ny Fetibe Karnavaly!
35 taona aty aoriana, miverina indray ny fankalazana ny fetiben'i Arzantina, ary noho izany dia misy ny fifaliana sy firavoravoana. Ny 7 sy 8 Martsa dia nankafy ny fialantsasatry ny fetibe ireo Arzantina rehetra, maro ireo zavatra mbola tsy fahita hatr'izay.
Okraina: Mampitaha an'i Fukushima sy i Chernobyl?
Ilay horohorontany niaro tsunami namely an'i Japana tamin'ny zoma 11 martsa lasa teo iny no niteraka fahasimbana goavana [ENG] ho an'ny foibe nokleary Fukushima-1, satria ny fijanonan'ny fomba fampangatsiahana dia niteraka trangan-javatra mampalahelo toy ny fipoahana matetika, afo, ary fiakaran'ny hafanana [ENG] teo amin'ny fitaovana mpamokatra herinaratra nokleary. Arakaraky ny fivoaran'ny zava-misy, dia mampiseho...
Ogandà: vonjeo ny Mozean'i Ogandà
Miorina ao Kampala ny Mozean'i Ogandà, tranom-bakoka ara-poko, ara-tantara ary ireo nentin-drazana mikasika ny lova navelan'ny kolontsainan'i Ogandà. Niorina tamin'ny taona 1908 izy ity. Vao haingana ny minisitry ny fizahantany, ny varotra ary ny indostria no nanome fahazoan-dalana hanorina tranobe misy rihana 60 eo amin'ny faritry ny tranom-bakoka ho fiasan'ny...