Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Septambra, 2010
Iran: Ny kanto sy ny Fanomezana endrika amam-bika ny ‘Hetsika Maitso – Green Movement’
"Aiza ny vatom-pifidianako" dia fampirantiana iray ahitana afisy lehibe miresaka politika miisa 150 izay naranty tao amin'ny Sekolin'ny Kanto azon'ny maso jerena - School of Visual Arts ao New York ary nandraisan'ireo mpanakanto maro maneran-tany ho fanohanana ny hetsi-panoherana any Iran taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2009.
Shili: Noravan'ny polisy ny famelarana ny saina Mapuche nandritra ny faharoanjato taona
Mizara lahatsary avy amin'olo-tsotra nahitana toa-javatra nitranga nandritra ny fankalazana ny faharoanjato taonan'ny fahaleovantena i Montserrat Nicolas; Asehon'ny lahatsary ary ny fomba nandravan'ny polisy ny famelarana ny Saina Mapuche sy ny fisamborana ireo nandray anjara tamin'izany fihetsika saiky hamelatra ny saina Mapuche izany. Naotin'ny mpandika : Ny Mapuche moa no vazimban'i...
Fankalazàna ny Andron'ny Malaizia
16 Septambra no andro nitambaran'ny Malaya miaraka amin'ny Sabah, Sarawak ary Singapore ho Malaizia. Na izany aza, tamin'ity taona ity vao lasa andro fialàntsasatra iombonana ny Andron'i Malaizia. Nafana ny Twitter niaraka tamin'ny tenifototra #harimalaysia.
Rosia: Ny fitantaran'ny olona iray avotra tamin'ilay fahirano tany amin'ny Sekoly tany Beslan
Zazavavy 13 taona hanomboka hiditra kilasy fahasivy indrindra i Agunda Vataeva (LJ user agunya) ny 1 septambra 2004 andro izay nanaovana azy ny reniny ary olona maherin'ny 1,100 hafa ho takalon'aina tany antsekoly #1 tany Antsinanan'ny Ossetia, tanànan'i Beslan. Naharitra nandritra ny telo andro ny nitanana azy ireo. Ny reniny,...
Etazonia: Naverina nodinihana indray ny fanambarana mikasika ny zon'ny vazimba
Niverina nandinika indray ny governemanta Amerikana ary mangataka ny fandraisan'anjaran'ny vahoaka mikasika ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny Vahoaka Vazimba taorian'ny nandavany izany tamin'ny taona 2007.
Karaiba: Fanarahana an'i “Earl”
Tonga indray ilay fotoana: vanim-potoanan'ny tafio-drivotra. Ka ireo mpitoraka blaogy any amin'ny faritra, voadona tamin'ireo tafio-drivotra mahery be taloha, dia manara-maso akaiky ny tafio-drivotra Earl, izay nosokajiana ho tafio-drivotra sokajy faha-3. Mandritra ireo 36 hatramin'ny 48 ora ho avy dia eritreretina handalo anyamin'ireo nosy Virjinia Amerikana sy Porto Rico izy, ankoatr'ireo nosy hafa.