Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Septambra, 2009
Andron'ny boky eran-tany: ny fiainan'ny vehivavy ao anatin'ny fitaratry ny lehilahiny
Ny vehivavy ihany ve no mandoko ny fiainany miaraka na tsia amin'ny fiainana izay omen'ny lehilahiny azy mandritry ny taona ? Manome sary lehibe antsika ireto fitsangatsangana ara-literatiora ireto ary mitondra antsika ho an'ny Quebec, mankany France ary farany any amin'ny mpanoratra mahaliana alzeriana.
Thailand: Telo taona aty aorian'ny Fanonganam-panjakana tamin'ny 2006
Nanamarika ny fitsingerenan'ny fahatelo taonan'ny fanonganam-panjakana ny 19 Septambra lasa teo izay nanery ny praiministra Thaksin Shinawatra hiala sy ho any an-tsesitany amin'izao fotoana izao. Mahatsiaro io fitsingerenan'ny taonan'ny fanonganana io koa ireo mpampiasa bilaogy.
Kazakhstan: Lenin. Mbola velona lavitra noho ny fahavelony
Hafatra roa mitovy no nisy nandefa tao amin'ny tontolon'ny blaogy Kazakh avy amin'ny lafintany roan'ny firenena. Samy miresaka momba ny fitsanganana tamin'ny matin'ny sary famantarana vanimpotoana iray taloha tany izy roa: ny loha sy ny sandrin'ny tsangambaton'i Lenin.
Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy
Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais...