· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jolay, 2008

Libanona: Mamelona indray ny fikambanana jiosy

  27 Jolay 2008

“Manohana ara-bola sy manavao ny sinagoga, lehibe indrindra any amin'ny tontolo Arabo, Magen Abrahama afovoan-tanànan'ny renivohitra Libaney ny zanaka ampielezana Libaney. Antenaina ho vita mialoha ny faran'ity taona ity na mialoha ny taona 2009 ny fanavaozana,” hoy ny tatitry The Lebanese Inner Circle.[Kodiarana Libaney]

Letonia: Bolongatsarin'i Arnis Balcus

  26 Jolay 2008

Nanomboka namoaka Bolongatsary Letoniana (Latvia photoblog) i Arnis Balcus : “Te-hampiranty izay hitako aho satria matetika heverina ho azo alaina maimaipoana ny zava-mahaliana ahy ary tsy mba tsikaritra loatra ihany koa. Eny, zavabitika tokoa ireo fa mbola hanjavona indray andro any, ary tahaka izany ny fanorenana sy ny rafitrano tamin'ny...

Silaovakia: Mitsipaka ny fahaleovantenan'i Kosovo

  25 Jolay 2008

Nanambara ny fahaleovantenany ny Repobilikan'i Kosovo tamin'ny 17 feboroary 2008. 43 amin'ny 192 mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana no manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ary tafiditra amin'izany i Etazonia, Kanada, Aositiralia ary ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana. Fa ny tena malaza manohitra kosa — aorain'i Seribia — dia i...

Rosia: Golàgy aseho an-tserasera

  25 Jolay 2008

Robert Amsterdam no manintona ny fampirantiana an-tserasera ny fomba fiasan'ny Golàgy nandritra ny fitondrana Sovietika – natsangan'ny ivon-toerana momba ny tantaram-pirenena sy ny New Media [haino amanjery vaovao] ao amin'ny  Anjerimanontolon'i George Mason ary iarahany miasa amin'ny mpandala ny  zon'olombelona Rosiana “Memorial” – ka asehony an-dahatsary ao fomba fisamboran'olona nandritra...

90 Taona i Nelson Mandela

  19 Jolay 2008

Ny Zoma 18 jolay teo no feno 90 taona i Nelson Mandela ary dia nihoatra sisitanin'i Afrika Atsimo izany fankalazana izany ka niarahan'izao tontolo izao niaramihira sy nitehaka ny nahatratra ny fety. Andeha ary hiaramankalaza izany koa isika amin'ny alalan'ity fitetezam-paritra ity hamakiana ny fifaliana misongadina manerana ny kaontinanta afrikana ity.

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny ady tany

  14 Jolay 2008

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fihokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia...

Arimenia: Baolina politika

  12 Jolay 2008

Unzipped no milaza ny heviny avy amin'ny tenin'ny filoha vaovaon”i Arimenia navoakan'ny  Wall Street Journal ahitana ny fanantenan'i Serge Sargsyan fa mety hiteraka fifandraisana eo amin'ny tany roa tonta ny fihaonan'i Arimenia sy Torikia amin'ny baolina fandaka hifanintsanana ho amin'nyfiadiana ny amboara erantany amin'ny volana septambra ho avy izao. Mikatona...

Iran: Toerana maro noraisina ho vakoka iraisam-pirenena

  12 Jolay 2008

Blogian no miresadresaka amintsika ny fampidirana ny monasitera Armeniana 3 any Iran ho ao anaty ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena alahatry ny  UNESCO. Raha nahafaly ny mpamaham-bolongana izany hetsika izany, dia nahasosotra azy kosa ny tsy nihetsehan'ny UNESCO raha nisy vohitra Armeniana any ankodahodan'i Azerbaijan any Nakhichevan rava.

Japàna : Fanambarana mikasika ireo olona nalaina an-keriny izay miteraka fahatezerana

  09 Jolay 2008

Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny...

Rosia: Veloma mandrakizay ry “khrouchtchevki”

  06 Jolay 2008

Andro vitsy lasa izay, drugoi, iray amin’ireo mpitoraka blaogy rosiana isan’ny be mpahalala sy malaky misandrahaka indrindra, dia nandefa tamin’ny LiveJournal, izay fampiasany, sary 17 maneho tangoron-trano iray ao Mosko, niorina fony vaninandro Khrouchtchev ( fiantso azy ireny mahazatra ny hoe khrouchtchevki, na pyati etajki, rihana dimy, na koa hoe...