· Jona, 2008

Tantara mikasika ny Tantara tamin'ny Jona, 2008

Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatany

  30 Jona 2008

Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.

Borkina Fasô : Jiolahy mpanakan-dàlambe

  24 Jona 2008

Ny mpiblaogy Borkinabe QuophyBlogeur mitatitra mikasika izay nihatra tamin'ny mpandehan'ny orinasam-pitaterana Ghaniana STC [Intercity State Transportation Corporation] raha nisy jiolahy mpanakan-dàlambe nanambana sy nitifitra ny fiarabe nitatitra azy ireo : Le trajet d'un car de la société ghanéenne STC – de Ouaga-Accra via Kumasi – a failli tourner au drame....

Trinite sy Tobago: Onjam-piovana?

  13 Jona 2008

Inoan'ilay mpamaham-bolongana Trinitita Attillah Springer fa hampivoatra zavatra maro ny onjam-piovana entin'i Barack Obama:  “Onjam-piovana iray tiako handom-baravarana aty amintsika izy ity ka hanaisotra amintsika ny fiesonana sy ny fahabangan'ny fototra politika eto amintsika. Eny indrindra, isika koa afa-manova. Afa-manova ny politikantsika isika.”

Nizeria : Tsy nitsetsitra izay haren'i Nizeria izany i Abacha

  12 Jona 2008

Grandiose Parlor [Malama vava] no manontany tena raha nitsetsitra izay haren'i Nizeria i Abacha ? [filoham-pirenena taloha] : How I wish I wielded some supernatural power! How I would have dealt with these three men – Mohammadu Buhari, Ibrahim Babangida, and Abdulsalami Abubakar! Thanks to those three, I learnt something...

Puerto Rico, U.S.A.: Mainty & Fotsy

  08 Jona 2008

Gil the Jenius dia mihevitra fa tokony haka lesona iray na roa amin’ny zava-bitan’i Barack Obama i Puerto Rico : “Ekena fa misy fanavaham-bolon-koditra ao Puerto Rico. Ekena fa misy fiantraikany eo amin’ny resaka politika izany. Nefa raha hilaza ianao fa tsy mampaninona izany, na hoe tsy misy fotsiny izao,...

Yemen: Diana dinôzôro hita tany akaikin'i Sana'a

  06 Jona 2008

“Tsy mbola nahitana diana dinôzôro mihitsy hatramin'izay tamin'iny Oalan'ny persika iny; saingy tany amin'ny 30km monja avy eo Sana'a, renivohitry Yemen, no nasehon'ny sisan-taolana, ny dia lalina tavela tamin'ny tany, ny dia-na andiana dinôzôro — sauropods – tokony ho 150 000 000 taona eo ho eo,” hoy ny tatitry Omar...

Afrika Atsimo : Mirongatra avy any amin'ny toeran'ny fahadisoana

  04 Jona 2008

Alex B. Hill mpiblaogy Amerikana ao amin'ny When not in Africa [rehefa tsy any Afrika] no mijoro vavolombelona amin'izay herisetra natao ireo vahiny mpiavy mpilaravinahitra natrehiny maso tany Afrika Atsimo, sy manolotra famoaboasana mikasika ny tantara : What follows below is a chronology of my journal entries leading up to and...

Pôrtô Rikô – USA: Eritereto tokoa hoe ity resaka ity

  01 Jona 2008

Manontany ary i Liza izay mpamaham-bolongana Pôrtôrikana: “Azonao eritreretina ve ny miresaka amin'ny zanakao amin'izay mety hamonoan'ny sasany ny rainy?”, ary nampiany hoe: “ny tsy azon'ny olona anie dia ny halalin'ny takaitra vokatry ny herisetra noho ny antony ara-piaraha-monina na politika manjaka ao amin'ny fireneny. Anananana ny olona tahaka an'i...