GlobalVoices anaty

Tantara

Tahiry Lohahevitra · 363 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Tantara

19/05/2013

Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona

Tohin'ny lahatsoratra

Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Voaheloka 80 taona an-tranomaizina ilay Jeneraly 86 taona. Io didim-pitsaràna ohatra io no mpisava làlana ho an'ireo tsy fifanarahana rehetra mbola misy ankehitriny eto ambonin'ny tany..

Nihodinan'ny Vohikala Sosialy Shinoa Ny Sivana Mba Hanomezam-boninahitra Ilay Mpitondra Fiovàna Hu Yaobang

Tohin'ny lahatsoratra

Nihodinan'ireo Shinoa mpampiasa aterineto ny sivana aterineto hentitra any amin'ny fireneny mba hanomezam-boninahitra an'ilay mpitarika antoko kaominista taloha sady mpitondra fiovàna fanta-daza, Hu Yaobang, izay nitarika ireo fihetsiketshehana tany amin'ny Kianjan'i Tiananmen ny fahafahatesany 24 taona lasa izay.

16/05/2013

Sary Lahatsoratra
Fitantarana an-tSary Navoakan'ny Manomba-Maso An'i Palestina Farany Indrindra Ho Fahatsiarovana ny Nakba

Tohin'ny lahatsoratra

Ho fahatsiarovana ny Andron'ny Nakba, namoaka ny fitantarana an-tsary nohavaoziny farany indrindra ny ekipan'ny 'Visualizing Palestine' (manomba-maso an'i Palestina) mitondra ny lohateny hoe "Famindra-monina mbola mitohy" izay "mametraka an'isa ny habe sy velaran'ny famindra-monina sy fahaverezan'ny tany Palestiniana."

12/05/2013

Notsarovana Ilay Mpandalim-baovao Mikasika Ny Tantaran'i Sainte Lucie

Tohin'ny lahatsoratra

Mpahay tantara sady mpitahiry ny nentin-drazana i Robert Devaux ilay niato tamin'izay nisasarany tamin'ity herinandro ity, nodimandry ny marainan'ny 16 aprily 2013, taorian'ny ady tamin'ny homamiadana. Ireo mpisera anaty aterineto ao Ste Lucie dia nanome voninahitra lehilahy iray izay heverina ho maherifo mpiaro ny tontolo iainana sy mpanao vina lavitra ho an'ny fireneny.

02/05/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Fihetsiketsehana Nandritra ny Fetin'ny Asa Tao Azia Atsimo-Atsinanana [An-Tsary]

Tohin'ny lahatsoratra

Manao jery tamberina ny fihetsiketsehana nandritra ny andron'ny voalohany volana mey notontosaina tany Kambodza, Filipina, Indonezia ary Singapore ny Global Voice. Ny fivoriana izay nokarakaraina hampiako ny fitakiana isan-karazan'ny mpiasa sy ireo vondrona mpiaro (misolo vava ny mpiasa) dia nilamina ihany amin'ny ankapobeny nanerana ny renim-paritra.

26/04/2013

Video Lahatsoratra
VIDEO: Radiom-Bahoaka Any Ginea-Bisao Ho an'ny Vahoaka Fa Tsy Politika

Tohin'ny lahatsoratra

Misy zavatra tsara ataon'ny radiom-bahoaka any Ginea-Bisao ankoatra ny fandefasana hirahira amin'ny onjam-peo, araka ny nolazain'ny fanadihadiana " Ny Feon'ny vahoaka". Radio izay namonjy ain'olona nandritra ny fihanaky ny valan'aretina kolerà, niady tamin'ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ary nanohitra ny fanavakavahana ara-taovam-pananahana, tamin'ny fampiraisana ireo vondrom-piaraha-monina misy ao an-toerana manodidina ny harenan'ny mozikan'i Ginea-Bisao.

25/04/2013

Doka Tatinjaza Ho ‘Fanolanana’ Ny Tantaran'i Philippines

Tohin'ny lahatsoratra

Nibaiko ny hampitsaharana amin'ny fahitalavitra ny doka iray maka tahaka sady maneso ny zava-nitranga raha namono ilay portiogey mpamakilay Ferdinand Magellan tamin'ny 1521 nandritra ny Fifanandrinan'i Mactan i after A Philippine diaper manufacturer...

20/04/2013

Tsy Misy Fialantsiny Intsony – Mizara Propagandy ‘Hosoka’ Ny Mpisera Facebook Ao Japana

Tohin'ny lahatsoratra

Nanasonia sy nizara sary namboamboarina, izay jerena toa trakitra ofisialy sy manasongadina ny voka-dratsin'ny (fifonan'i?) Japana teo amin'ny Tantara ho an'ny zanaky ny Firenena, tsy tamin'ny fahalalana ny mpisera facebook japoney an'arivony. Nanondro...

19/04/2013

Manimba Endrika ny Tantara Ny Sarimihetsika Mankahala Japoney Ataon'i Shina

Tohin'ny lahatsoratra

Narahin'ny mpiserasera maso indray tao ho ao ny famokarana sarimihetsika mankahala Japoney fandefa amin'ny fahitalavitra. Nahatratra ny hoza-dohan'ny mpampita vaovao eo ambany fanaraha-mason'ny fanjakana ihany ny sarin-jazavavy roa niboridana miarahaba andia-miaramila shinoa vitsivitsy tafavoaka tsinahy.

14/04/2013

Tempoly Bodista Fahagola Kasain'i Shina Hosolaina Tanteraka

Tohin'ny lahatsoratra

Ny manampahefana Shinoa ao an-toerana, ho fitsinjovana ny sombin'ny lalan'ny lasoà manan-tantara, no nibaiko ny fandravana toerana manan-tantara iray hafa mijoro amin'izany lalana izany. Ny tempolin'i Xingjiao ao Xi'an, izay...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny