Tantara mikasika ny Hiper-barrio

Rising Voices tao amin'ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 tao Santiago, Shily (Ampahany 1)

Rising Voices  06 Jona 2019

Tany ampiandohan'ny volana May 2010 no natao ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 (Vovonamben'ireo Olontsotra Mpampita Vaovao ao amin'ny Global Voices) tao amin'ny Tranombokim-panjakana ao Santiago ao an-drenivohitr'i Shily. Maherin'ny 200 ireo olona avy aminà firenena 60 tonga nanatrika ilay vovonana, izay voarakotra tsara tokoa teny anaty fampahalalambaovao. Tetikasa efatra avy amin'ny Rising Voices no nampahafantarina nandritra ny andro roa tao amin'ilay vovonana.

HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra

Rising Voices  27 Septambra 2018

Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales

Rising Voices  21 Septambra 2018

Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.

Bilaogera vehivavy manantalenta ampahafantarina any ivelany

Rising Voices  28 Aogositra 2018

Nandritra ny atrikasa fitoraham-bilaogy vao haingana nokarakarain'ny Voces Bolivianas tao El Alto, Bolivia, namaly fanontaniana avy amin'ny iray tamin'ireo mpandray anjara i Cristina Quisbert. Mifandraika amin'ny dian'i Cristina tany ivelany mba hanatrika ny Fihaonambe BlogHer any Chicago, Illinois izay natao ny 24-25 Jolay 2009 ny fanontaniana.

Rayones avy amin'i Jorge Jurado

Rising Voices  02 Aogositra 2018

Fandrobana na endrika ara-dalàna fanehoana ara-kolontsaina? Milaza zavatra bebe kokoa amintsika momba ny fiarahamonina iainantsika ve ny manamarika endrika fampitana hita maso na ny fanoratana amin'ny rindrina? Jorge Jurado mandinika ny maha zava-dehibe sy ny fahazotoana ambadiky ny teny amin'ny rindrina ao La Loma, Medellin, Kolombia.