Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Septambra, 2013
Tsy Hangina Intsony: ” Pakistana Hafahafa”
Manana toerana vaovao hikarohany tohana ety anaty aterineto izao ireo Pakistane LGBT niafinkafina tany. Miresaka amin'ny iray amin'ireo mpanorina ny Queer Pakistan ny Global Voices.
Kiobana Mpitsabo Efajato Ho Any Brezila
Nandefa taratasy misokatra ho an'ireo mpitsabo Kiobana maherin'ny efajato izay vao tonga vao haingana tany Brezila ary mandrafitra ny vondronà mpitsabo 4.000 voalohany andrasana ho tonga any amin'io firenena io alohan'ny volana Desambra amin'ity taona ity i David Oliveira de Souza
Aza atao hoe An-tapitrisa Matin'ny hanohanana Nandritra Ny Mosary Goavana Tany Shina. Andramo kokoa ny hoe “Fahafatesana Noho Ny Sakafo”
Vao haingana dia nilaza ny profesora iray fa honohono fotsiny ireo vinavina teo aloha milaza fa olona 30 tapitrisa no maty nandritra ilay Mosary Goavana tao Sina. Araka ny ambarany dia 2.5 tapitrisa no "fahafatesana noho ny sakafo" naterak'iny vanim-potoana sarotra iny
Fanantenan'i Tokyo Isian'ny Fihatsarana Mialoha ny Lalao Olaimpika 2020
Nahazo ny safidin'ny mpikamban'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena handray Lalao Olaimpika Fahavaratra 2020 i Tokyo tamin'ny 7 septambra 2013 manoloana an'i Madrid sy Istanbul. Mizara ny fanantenany hisian'ny fanatsarana ao an-tanàna ireo mpitari-kevitra ao amin'ny twitter
India : Taranaka Indizena Mihafongana ao Kerala
Dimy ambitelopo ny zaza ao amin'ny foko ao Attappady, India no maty tamin'ity taona ity noho tsy fanjarian-tsakafo.
Fanentanana Azia Atsimo Atsinanana Afaka Amin'ny Setro-Tsigara
Tamberin'ny hetsika maro iadiana amin'ny fifohana sigara tany Thailandy, Vietnam ary Kambodza. Miampy ny Filazana avy amin'ny manampahefana ao Philippine misahana ny fahasalamana ny loza ateraky ny fampiroboroboana ny e-sigara