· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Avrily, 2013

Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza

  21 Avrily 2013

Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.

Mba Ampandroy Ny Filoham-pirenena Ejiptiana!!

Namela fofona i Mohammed Morsi - tao amin'ny Twitter. Nawara Negm, blagera sady mpikatrka mafàna fo dia nametraka ny tenifototra #حموا_الرئيس [ar], izay midika hoe "Mba ampandroy ny Filoha, taorian'ny namakiana tao anaty gazety Libane iray fa hoe nitaraina tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny tomponandraikitra alemà sasantsasany mikasika ny fofona avy amin'ny vatan'i Morsi."

Bhutan Mizotra Ho Any Amin'ny Voajanahary Manontolo

  14 Avrily 2013

Ny Fanjakan'i Bhutan Himalayan, diso fantatra loatra amin'ilay "Gross National Happiness" , na maridrefin'ny hasambarana, nasolony ny hoe Harin-karena Faobe, dia nametraka ho tanjony ny fanatratrarana ny toeran'ny firenena voalohany eto an-tany mitodika manontolo amin'ny voajanahary.

Miteny Hentitra Ny Vehivavy Tiorka: Vatako, Fanapahan-kevitro

sinjo sahady fa mbola be ny làlana hodiavin-dry zareo sy ny ady ho atrehany mandra-pahatongan'ny hoe azy ireo 100% ny fanapahan-kevitra ny amin'izy hanaovany ny vatany na ny fiainany. Ambaran'i Baran Mavzer amintsika ny antony mahatonga ny adin'ireo vehivavy Tiorka ho mbola henjana, mba hahazoany sy hitehirizany ny zony araka ny lalàna sy ny maha-olona, na dia tsara toerana kokoa aza ry zareo miohatra amin'ireo marobe any amin'ny tontolo Silamo.