· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Marsa, 2013

Lainga, Laingan-doza, ary ny Antontan'isa Tiorka

  30 Marsa 2013

Rehefa antontan'isa no resaka, dia mijanona manaraka am-bokony fotsiny ny foto-kevitra fony faha-Sovietika ny governemanta Tiorkmena, toy ny amin'ny boky fandrahoan-tsakafo, fanodinkodinana angon-tahiry sy fanalàna an'izay marina rehetra mety manelingelina. Tena avoakan'ny haino aman-jerim-panjakana izay mitondra amin'izao fotoana izao tsara mihitsy ny 'Antontan'isa tsara', toy ny fiakaran'ny vokatra, fa ny vaovao ratsy kosa tsy mba misy mamoaka mihitsy.

Tokony Havela Ho Ara-Dalàna Ve Ny Toaka Any Libya?

Miady hevitra amin'ny tokony hamelana ho ara-dalàna ny toaka na tsia ao amin'ny fireneny ny mpiserasera Libyana - taorian'ny nahitana fa mihoatra ny 50 ny olona matin'ny toaka vita tao an-toerana efa simban'ny methane. Mbola misy olona hafa mihoatra ny 470 ihany koa no nampidirina hopitaly hotsaboana, ka nampafana ny adi-hevitra amin'ny tokony hanesorana ny fandrarana ny toaka hampanara-dalàna azy, mba hahafahana misoroka ny voina tahaka izao mbola hitranga.

Mila Politika Azo Tsapain-tànana Ny SIDA Ao Shina

  03 Marsa 2013

Voatery nanafina ny mahazo azy mba hahazoana ny fandidiana ny homamiadan'ny havokavoka ny olona iray mitondra ny otrikaretina VIH tao Tianjin. Vantany vao nasehon'i Li Hu ankarihary ity raharaha ity, i Li Hu izay mpisolovava amin'ny VIH/SIDA, nandritry ny herinandro nisian'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny VIH/SIDA, ary niteraka akony tena nanaitra tokoa tao Shina sy nahasarika ny sain'ireo Shinoa mpitantara vaovao.