· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Novambra, 2012

Hetsi-panoherana Tao Phulbari Hanoherana Ny Tetikasa Fitrandrahana Arintany Manao Tafo Lanitra

  26 Novambra 2012

Tao Phulbari, 350 km avaratra-atsinanan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh, tonga niaraka daholo ireo vondrom-piarahamonina samihafa mba hanandratra ny feon-dry zareo manohitra ilay tetikasa fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ilay tetikasa, raha tafapetraka manontolo, dia haka tanàna maherin'ny 100000 ao anatin'ny faritra mirefy 59 Km² manodidina ary hamindràna toerana mponina an-jatony maro sy hisy fiantraikany maharitra eo amin'ny tontolo iainana

Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

  22 Novambra 2012

Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay fotodrafitrasa. Ireo mankasitraka dia milaza fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena ao Malezia ilay tetikasa saingy marobe ireo vondrona miasa loha amin'ny lafy ratsy entin'izy io ho an'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

India: Mampanahy ny Fiparitaky ny Dengy ao Delhi

  03 Novambra 2012

Taitra ny mponina tamin'ny herinandro raha nahare fa matin'ny dengy ilay maintimolalin'ny fanatontosana sy famokarana ary fanoratana sarimihetsika ao India, Yash Chopra (80),  ka mihanaka ny tahotra eny faritra sasany ao Delhi. Maharay antso maro avy amin'ireo marary ahiana ho tratran'ny dengy ireo mpitsabo, ary mitady tolo-kevitra ara-pitsaboana. Nahitana Fitomboan-trangan'aretina dengy tao Delhi ny nandritra ny volana lasa ary maro...