· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Aogositra, 2012

Espaina: “Tsy Fankatoavana Ara-Pahasalamana” Noho Ny Fepetran'ny Fitsitsiana

  31 Aogositra 2012

 Nanangana sehatra entina hanoherana ny fanavaozana ara-pahasalamana natao vao haingana ny vondrona tsy miankin'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpandray anjara amin'ny hopitalim-panjakana. Nomena anarana hoe”Eny hoy aho ho an'ny fahasalaman'ny daholobe” (@Yosisanidaduniv) [es] ny hetsika ary ny foto-kevi-dehibe ijoroany dia ny “tsy fanekena” sy ny fanoherana ny Lalàna 16/2012 novolavolain'ny...

Frantsa: Ethylotest Tsy Maintsy Atao Hisorohana Ny Alikaola Eny Am-pamiliana Fiara

  25 Aogositra 2012

Manomboka ny 1 Jolay 2012, ny mpamily fiara misy maotera rehetra ao Frantsa dia tsy maintsy mandalo 'éthylotest' daholo araka ny didim-panjakana nivoaka tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny Alakamisy 01 Martsa 2012. Io fepetra io dia heverina hampihena ny isan'ny loza aterak'ireo mpamify tsy ampy fiheverana domelin'ny alikaola. Maneho hevitra momba ireo loza ateraky ny fandraisana alikaola eny am-pamiliana ireo mpikirakira aterineto.

Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”

  23 Aogositra 2012

Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

Syria: Fitsabahana Ara-tafika Sa Ady An-trano?

After the International Committee of the Red Cross announcement that it considers the conflict in Syria to be a full-blown civil war, Western media sites and bloggers launched a debate revealing the secrets of politics and war benefits of the global powers who are looking for their influence in the area. Rami Alhames tunes into the conversation

Thailand: Lahatsary Fanentanana Mba Hiainana Ara-pahasalamana

  06 Aogositra 2012

Nampiasa lahatsary fanentanana miharo fahaiza-mamorona ny masoivoho ara-pahasalamana iray any Thailand mba hampahafantarana ny fomba fiaina ara-pahasalamana eny anivon'ny Thais. Ny vao haingana amin'ny fanentanana tsy hifoka sigara nataony, izay nanasongadinana ankizy dia niparitaka be sy notsarain'ny maro amin'ireo mpiaro ny fahasalamana ho ny tsara indrindra eran-tany amin'ny fanentanana tsy hifoka sigara

Oganda : Fandravàna Ny Fahazarana Mangina Manoloana Ny Zo Ara-pahasalamana?

  04 Aogositra 2012

Tokony ho maimai-poana ny fitsaboana ao Ogandà. Kanefa tratran'ny krizim-panafody goavana sy tsy fahampian'ny mpitsabo ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana. Navoaka taminà tranonkala ny lahatsary iray novokarin'ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa, Results for Development (Vokatra ho an'ny fampandrosoana) mba hanentanana ireo Ogandey handrava ny lalàn'ny fahanginana sy hitaky ny zony ara-pahasalamana, marihina fa...