· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jolay, 2012

Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra

  29 Jolay 2012

Tandindonin-doza ny fiainan'ireo zaza bodo 240.000 noho ny fandraràna,vao haingana, ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritry ny FATA. Ireo mpikomy dia mihevitra fa hetsika fitsikilovana io fanentanana ho fanfefitry ny lefakozatra io, ary manohana azy ireo amin'izany ny filohan'ny foko.

Tontolo Arabo: Ny Feon'ireo Sembana

Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy tompo-kevitra tamin'ny fanentanana fa nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra izay mikendry ny hanaitra ny  sain'ny tontolo Arabo mikasika ny zon'ny olona sembana,...

Ejipta: Tsy Mila Fandevenana Miaramila Ho An'i Omar Sulieman.

Maty i Omar Suleiman, praiminisitra lefitr'i Hosni Mubarak sady lehibe taloha tao amin'ny sampam-pitsikilovana tao Ejipta. Ny vaovao momba ny fahafatesany dia nitondra onjam-panehoan-kevitra maro teny anivon'ny tambajotra sosialin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.. Ao amin'ny Twitter, ny mponin'ny aterineto avy amin'ny tontlo Arabo dia tsy nahita loatra zava-toa mba hitomaniana ny fahalasanany.

Oganda: Aretina Mampihozona Loha Tsy Mamela Ny Ankizy Hanana Ny Ho Aviny

  12 Jolay 2012

James Propa dia mizara sary sy lahatsary YouTube momba ny zavatra ateraky ny aretina mampihozona loha any Oganda. Ny aretina mampihozona loha dia aretina mampalemy ara-batana sy ara-tsaina ary ny ankizy no tena voan'izy ity. Faritra kely ihany ao Atsimon'i Sodana, Tanzania ary Avaratr'i Oganda no misy an'izy ity amin'izao.

Brezila: Adihevitra Momba Ny Fiterahana Natoraly

  05 Jolay 2012

Ho an'ny Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Fahasalamana dia 15% ny fiterahana ihany no tokony handalo fandidiana. Na izany aza, eo amin'ny sehatra tsy miankina Breziliana, maherin'ny 85% amin'ny fiterahana no mandalo fandidiana (sezarienina). Tsy ela kory izay, ny hantsana goavana misy eo anelanelan'ilay isan-jato natolotra sy ny tena zava-misy dia niteraka adihevitra iray sy hetsi-panoherana tao Brezila. Tao amin'ilay hetsi-panoherana, nokiahan'ireo mafàna fo ny hoe: "Dokotera, aza manadala ahy ianao. Natao [mba] hampanankarena anao ny fandidiana " Caesarians"