· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jona, 2012

Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra

  29 Jona 2012

Nieli-patrana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany no antony mahatonga ireo mpanankarena mandao an’i Shina.

Pôrtô Rikô : Asa Loha Momba Soso-kevitra Angovo Azo Amin'ny Rivotra

  18 Jona 2012

Ny tetikasa "Finca de Viento Santa Isabel" (Sahan-dRivotra ao Santa Isabel), an'ny orinasa iray avy any San Francisco, California, Pattern Energy, dia iray amin'ireo tetikasa marobe [es] amin'ny angovo azo havaozina misanda an-davitrisan-dolara nikasa ny hanomboka ny famokarany amin'ity taona ity ao amin'ilay nosy - ary raha vantany vao vita dia io no ho iray goavana indrindra amin'ny karazany any Karaiba.

Korea Atsimo: Fandrindràm-piterahana Niteraka Resaka Be

  14 Jona 2012

Ny 7 May 2012 dia nanambara ny sampandraharaha Koreana misahana ny Sakafo sy ny Fanafody fa ny fanafody fampiasa maika ho fisorohana ny vohoka, fantatra amin'ny hoe morning-after pills, na 'Pilina raisina ny ampitson'iny' dia ho azo jifaina malalaka. Na izany aza, ireo pilina atelina ho fisorohana vohoka izay namidy malalaka teo aloha dia ilàna taratasim-panafody. Ho an'ny tanora dia mbola ilaina hatrany ny taratasim-panafody ho an'ireo pilina fampiasa maika. Niteraka resabe teny anivon'ny aterineto ireto fiovàna tampoka teo amin'ny fepetra fomba fahazoana fanafody ireto

Ny Fivoaran'ny Fiahiana Ara-tsosialy Aty Afrika

  10 Jona 2012

Mbola an-dàlana tanteraka ny fametrahana rafitra fiahiana ara-tsosialy ho an'ny ankamaroan'ny firenena aty Afrika. Samy nifidy rafitra iray manokana mifanaraka amin'ny kolotsainy ny governemanta afrikana tsirairay, izay azo lazaina ho nahomby amin'ny ampahany ihany, saingy ny rehetra dia miara-mahatsapa ny filàna ny fiarovana, na faran'izay kely aza, ho an'ireo tena mponina marefo ao aminy. Resahan'ireo manampahaizana manokana amin'izany ny vokatra azon'ireo rafitra efa napetrakaho fiahiana ny ara-tsosialy ao Afrika :

Ejipta: Maty Ve I Mubarak?

Maty ve ny filoha Ejipsiana voahongana Hosni Mubarak? Efa tsy voatanisa intsony ny fiverimberenan'ity fanontaniana nivoaka amin'ny fitaovam-pampitam-baovaon'olo-tsotra ity. Toy izao indray no fihetseham-pon'ny mpisera Twitter momba ny tsaho faramparany teo. Araka ny tati-baovao maro, “Matory tsy mahatsiaro saina” i Mubarak. Nivoaka ny vaovao rehefa nivoaka ny didim-pitsarana manameloka an'i...

Kenya : Mahazo Laka Ny Fambolena Eny Andrenivohitra

  07 Jona 2012

Ao Kenya, mianatra teknika maro momba ny fambolena sakafo hivelomana sy hamidy ireo mponina, eny fa na dia eny amin'ny toeram-pambolena tery aza. Ho an'ireo olona tsy ampy fidiram-bola na tsy misy mihitsy, ny fambolena any andrenivohitra no mety ho lakilen'ny antoka ara-tsakafony. Ireto lahatsary manaraka ireto dia mampiseho ny fambolena anaty tavy ary mampiasa toerana sy fahafaha-manao voafetra.