· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Marsa, 2012

Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona

  29 Marsa 2012

Raha mitohy hatrany manemotra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Siliana mikasika io olana io.

Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana

  21 Marsa 2012

Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora mampidi-doza) Isika Rehetra, ahitana sary 50% nokirakirain'izy ireo manokana tao amin'ny faritra manodidina ny Foibe Mpamokatra Herinaratra ao Fukushima izay...

Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy

  11 Marsa 2012

"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections" izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.

Thailandy: Voatsiny Noho Ny Tahan'ny Fitondrana Vohoky ny Tanora Ny Facebook

  03 Marsa 2012

I Thailandy no manana taha ambony indrindra eo amin'ny  tanora bevohoka erantany. Tombatombanana ho  120.000 isan-taona  ireo tanora mitondra vohoka tsy nirina, ary toa hoe anisan'ny tompon'andraikitra mahatonga izany vohoka tsy niriana izany ny Facebook izay tambajotra sosialy fanta-daza, raha mino ny  famintinana naroson'ny Foibem-pirenena misahana ny fampandrosoana ara-toe-karena sy sosialy (NESDB)...