· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Janoary, 2012

Yemen : Andro tsy hihinanana katy ny 12 janoary

Ny katy dia zavamaniry maintso be ravina manome hery mitovy amin'ny amphetamine ary sokajian'ny OMS ho zavamahadomelina. Fitsakotsakoan'ny ankamaroan'i Yemenita saika isan'andro izy ity, na lahy na vavy. Ny tena mampalahelo dia misy ankizy aza efa mitsako azy sahady. Efa zary fahazarana eo amin'ny fiaraha-monina izany fomba izany ary efa lasa miankin-doha...

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka ny resaka fandraisana an-tànana ny fahasalamana.